Rosia: Toro-lalana Ho An'ny Mpiserasera

(Fanamarihana: lahatsoratra efa nivoaka tamin'ny volana Martsa 2007 ity adika eto ity)

Faran'ny Herinandro feno hetsika izao.

Tao Minsk, Belarus, tsy maintsy nampiasaina tamin'ireo olom-pirenena an'arivony maro manohitra ny fitondrana Aleksandr Lukashenko ny tafondron-drano. Tao Nizhniy Novgorod, Rosia, polisy sy miaramila teo amin'ny 20.000 no nanakana ny “Diaben'ireo Mpanohitra” tsy hotontosa indray. Tao Moskoa, na izany aza, polisy 3.000 misahana ny rotaka no nantsoina hiandry ireo mpanohana an'i Kremlin miisa 15.000 izay mpikambana ao amin'ny Nashi nandritra ny fankalazan'izy ireo ny fahafito taona nitondran'i Vladimir Putin tao Rosia.

Nahazo ny bokikely Nashi ilay tompon'ny Gallery, Marat Guelman (mpisera LJ galerista) – ary tahaka izao no heviny momba izany:

[…] I felt somewhat jealous of [Eduard Limonov]. To have such determined propagandists [as Nashi are] costs a lot.

In general, Nashi can be considered the founders of a new genre. The booklet resembles a brief user guide. For an extremely simple device (something like a hammer). Just a few words, but repeated on every page:

fascists: hitler and limonov

traitors: [Andrei Vlasov, a Soviet Army General who cooperated with Nazi Germany during WWII] and [Mikhail Kasyanov, Russia's PM from 2000 to 2004, who is currently Garry Kasparov's close ally]

enemies: america and the liberals

victims: saddam hussein and the russian people

friends: Putin and Putin tomorrow

[…] Mahatsiaro mialona kely an'i [Eduard Limonov] aho. Misy vidiny lafo ny fananana mpampiely hevitra vonona tahaka izany [tahaka ny Nashi].

Amin'ny ankapobeny, azo heverina ho mpanorina karazana vaovao ny Nashi. Mitovy amin'ny torolalana ho an'ny mpampiasa bokikely. Ho an'ny fitaovana tena tsotra loatra (tahaka ny kanonta). Teny vitsy monja, saingy miverimberina isaky ny pejy:

fasista: hitler sy limonov

mpamadika: [Andrei Vlasov, Jeneraly Sovietika izay niara-niasa tamin'ny Nazi Alemana nandritra ny Ady Lehibe Faha-2] sy [Mikhail Kasyanov, Praiminisitra ao Rosia nanomboka ny taona 2000 hatramin'ny 2004, izay mpiara-dia akaiky amin'i Garry Kasparov ankehitriny]

fahavalo: amerika sy ny liberaly

niharam-boina: saddam hussein sy ny vahoaka rosiana

namana: Putin sy Putin rahampitso

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.