Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Janoary, 2016

Tantara mikasika ny Rosia tamin'ny Janoary, 2016

Rosiana Pastafariana Voalohany Manana Ny Fahazoandàlana Mamily Fiara Miaraka Amin'ny Sary Misatroka Fitantavànana

Malaza ny Pastafariana Rosiana : voalohany izao, mpikambana ao amin'ilay antokom-pinoana no nahavita nametraka ny sariny misatroka fitantavànana paty—satroka tsy maintsy anaovan'ny Pastafariana— amin'ny taratasy fahazoandàlany mamily fiara.

Mijery TV Mikaroka Vaovao Ireo Rosiana Mpampiasa Aterineto, Saingy Mitoky Kokoa Amin'ireo Loharano Ety Anaty Aterineto, Hoy Ny Fanadihadiana

37 isanjaton'ireo Rosiana mpampiasa aterineto no mino ny fitovian'ny vaovao atolotry ny fahitalavitra sy ny ety anaty aterineto, raha 37 isanjato tahaka izany koa no manohana fa tena misy fahasamihafàny ny fomba fitaterana ny vaovao.

Rosiana Mpikatroky Ny LGBT Voasazy Handoa Onitra Noho Ny Fanaovana ‘Propagandin'ny Fahapelahana’ Antserasera

Voampanga ho nanao "propagandy pelaka" ny mpikatroky ny LGBT Sergey Alekseenko rehefa namoaka ny tsongam-pilazana nataon'ny sampan-draharaham-panjakana misahana ny fandrindrana tatitra milazalaza vondrona LGBT hafa ao amin'ny fampitam-baovaon'olon-tsotra.

Hojeren'i Okraina Indray Ny Fiarovana Antserasera Taorian'ny Fanafihan'ny Rosiana Ny Seranam-piaramanidina Lehibe

Nilaza ny mpitondra tenin'ny minisiteran'ny Fiarovana Okrainiana fa avy amin'ireo lohamilin'i Rosia ny fanafihana antserasera vao haingana tao amin'ny seranam-piaramanidina Boryspil.

Nahazo Fialokalofana Ao Okraina Ilay Rosiana Bilaogera Shipilov

Nahazo fialokalofana ara-politika ao Okraina i Dmitry Shipilov, mpanao gazety sady bilaogera Rosiana izay voampanga teo aloha ho manivaiva ny governoran'ny faritra Kemerovo ao Siberia tao amin'ny lahatsoratra bilaoginy.

Tranonkalam-Baovao 100+ No Bahanan'ny Okrainiana Mpisintaky ny ‘Repoblika Entim-Bahoakan'i Lugansk’

Tranonkalam-baovao maro no voatampim-bava ao amin'ny mpilaza tena ho "Repoblika Entim-Bahoakan'i Lugansk" noho ny finiavan'ny manampahefana mpisintaka hanakely araka izay tratra ny taratra "fanozongozonana" avy aminny fampitam-baovao Okrainiana.

Iza No Miaro Ny Zon'ny Mpiserasera Aterineto Rosiana? Tsy Ho Ireo Lehilahy Ireo.

Samy mieritreritra na ny mediatora ara-aterineton'i Rosia na ny mpanolo-tsaina vaovao an'i Putin ara-aterineto fa tsy andraikiny ny fiarovana ny zon'ny mpiserasera aterineto ao Rosia.

Rosiana Mpijirika No Tao Ambadiky Ny Fanapahana Herinaratra Tao Okraina, Hoy Ireo Mpikaroka

Heverina ho nataon'ireo Rosiana mpisovoka ilay voalaza fa fanafihana ny aterineto izay nitarika fahatapahan-jiro vonjimaika tamin'ny herinaratra Okraniana, araka ny filazan'ireo mpikaroka Amerikana.

Piraty an-tserasera Tiorka no milaza ho nahasovoka ny kaonty Instagram mpitondra fanjakana ambony rosiana

Mpisovoka manondro ny tenany ho Tiorka no nahazo ny fifehezana ny kaonty Instagram an'ny minisitry ny serasera ary namoaka sary ampolony maneho fitiavan-tanindrazana tiorka sy fianjeran'ny fiaramanidina.

Niverina ny ‘Ny Fitafiana’ saingy voaresaka indray ny fanivanana amin'ny televiziona ao Rosia

Ilay sary nalaza haingana voatonona dia ny sarimihetsika mampihomehy sovietika Ny Tanan-Diamondra nivoaka tamin'ny 1969. Nanaisotra ilay aloalo ve ny fahitalavitra rosiana hitandroana tsy handratrana ny fihetseham-po kristiana?