Tantara mikasika ny Rosia tamin'ny Mey, 2016
Mandrafitra Aterineto Mizakatena Fehezin'ny Fanjakana ny Manampahefana Rosiana

Na dia mbola eo amin'ny dingana fanombohana aza ny vakiraokan-tolo-dalàna ary mety hahazo fanitsiana maromaro, raha lasa lalàna, dia ho eo ambany fifehezan'ny fanjakana rosiana tanteraka ny ain-dehiben'ny fotodrafitrasan'ny RuNet iray manontolo.
Nolazain'ny BBC Fa Ny ‘Orinasa Rosiana Mpandoto Resaka’ No Manao Hosoka Lahatsary Mampiseho Miaramilan'i Etazonia Iray Mitifitra Korany

Araka ny tatitry ny famotopotorana nataon'ny servisin'ny BBC amin'ny teny rosiana, dia tao amin'ny Orinasa mpandoto resaka na “troll factory” tao St. Petersburg, Agency for Internet Studies [Sampam-pikarohana an'Aterneto] no tena nakana ny lahatsary.
Nofoanan'ny Governemantan'i Krimea Ny Lanonana Hoe ‘******** i Putin’

Nisy filazana lanonana mahavariana nivoaka vetivety teo amin'ny tranonkalan'ny governemanta Krimeana tamin'ny may 25. Misy anaran'i Vladimir Putin sy ny teny hoe “lohantay” ao anatin'izany.
‘Mpikatroka’ Nanafika Trano Fivarotan-tena Ao St. Petersburg, Nanery Ireo Vehivavy Handeha Miboridana Any Amin'ny Polisy

Vao navotsotra ny fonja vao haingana, nanafika trano fivarotan-tena roa ao St-Petersbourg ny iray amin'ireo jiolahim-boto ikoizana ao Rosia, nanery ireo vehivavy handeha miboridiana mankany amin'ny paositry ny polisy.
Zaza 11 Taona Mpanjakan'ny Aterineto Ao Rosia

Tamin'ny volana lasa teo, reny iray monina ao Mosko no nahatsiaro naharary momba ny zanany lahy kely 11 taona. Tsaroany tena naharary ka nitodihany tamin'ny Facebook, izay nanaovany antso avo tamin'ireo namany niaraka tamin'ny fangatahana kely
Gazety Rosiana Mahaleotena Nampiato Ny Lefitry Ny Tonian-dahatsoratra Noho Ny Fanafintohinana Fanaovana Kendaroroka

Nampiatoan'ny lehiben'ny tonian-dahatsoratra ao amin'ny Novaya Gazeta ny lefiny taorian'ny fanambarana fa nanome toromarika ny mpiasany izy hakana tombontsoa amin'ireo voarohirohy tamin'ny fanadihadiana natao vao haingana.
Tsy Ny Faharesena Tamin'ny Eurovision No Tsy Mahafaly ny Rosiana, Fa Efa Tsy faly Talohan'izany Izy Ireo

Tsy ny faharesena tamin'ny isa tery nahazo an'i Rosia tamin'ny fifaninanana mozika 2016 Eurovision tamin'ity faran'ny herinandro ity ihany no fifanolanana tamin'ny fifaninanana feno jiro hazavana, pyroteknika sy fanindrahindram-pirenena.
Andianà Mpikatroka Miady Amin'ny Kolikoly Voatafika Tao Rosia . Te-hividy Tapakila Handraisana Fiaramanidina ve?

Lohatenim-baovao voalohany ho an'ny media sosialy Rosiana maro androany ny vaovao momba ny fanafihana iray nanjo ireo mpikatroka mafàna fo, ary nohararaotin'ny orinasa mpikarakara fivahinianana, Aviasales, hakàna tombony ilay tantara
Nomen'ny Fitsarana Rosiana Sazy Roa Taona An-tranomaizina ny Mpisera Media Sosialy Iray Noho Ny Fampitana Votoaty Tao Amin'ny Vkontake

Nanome sazy roa taona sy telo volana an-tranomaizina ho an'i Andrey Bubeyev, mpisera media sosialy ao an-toerana, ny fitsarana ao amin'ny faritra Tver noho ny fiampangana azy ho nampiroborobo ny extremisma sy ny fisintahana tao amin'ny aterineto.
Tranonkalan'Olona Anisan'ny Maharikoriko Indrindra Nahazo ny Fon'ny Olona Ao Rosia

Nahazo hetsika fangoraham-po mamy indrindra teo amin'ny tantaran'ny RuNet ankehitriny ny iray amin'ny maharikoriko indrindra.