Tantara mikasika ny Rosia tamin'ny Oktobra, 2014
Fihomehezana ny Fangon'ny [Lôgô] Mondialy 2018 ao Rosia

Ankavitsiana no ahitana hatsaram-panahy eo amin'ny mpiseraseran'ny tambajotram-pifandraisana rosiana, ary lasibatry ny fanimbazimbana avy hatrany ny fangon'ny Mondialy 2018 tamin'ny fotoana nivoahany ho hitan'ny besinimaro.
Manohana An'i Okraina Ireo Rosiana Lehiben'ny Mpanohitra, Fa Tsy Hiverina Kosa Anefa i Krimea

Manana hafatra ho an'i Okraina ireo lehiben'ny mpanohitra, Alexey Navalny sy i Mikhail Khodorkovsky : Lasa iny i Krimea, ary tsy hahatafaverina azy intsony i Okraina.
Nomen'ny Fitsarana Rosiana Sazy Mihantona 2 Taona Ilay Vehivavy 23 Taona Noho Ny Nizaràny Horonantsary Vetaveta

Tao amin'ny fitsarana dia nolavin'ilay voampanga ny filazana fa fantany ihany koa fa mizara votoaty vetaveta izy rehefa nisintona ireo horonantsary, kanefa ireo mpampanoa lalànan'i Kemerovo dia milaza fa niaiky ho nahalala izany izy tamin'ny voalohany nangalan'izy ireo ny solosainany nandritra ny fanadihadiana nataony.
Anton Nossik: Fitsaharan'ny Facebook, Ny Twitter, Ary Ny Google Ao Rosia Atsy ho Atsy

Nanazava ilay manampahaizana momba ny media sady mpikambana mpamorona ny sehatry ny bilaogy Rosiana, Anton Nossik, ny antony ieritreretany fa efa antomotra ny farany ho an'ireo vohikala nampiasain'ny olona an-davitrisany manerana ny tany
Hiady hevitra Momba Ny Lalàna Mandrara Ny Tomboka Vatsa Amin'ny Lamosin'ny Vehivavy Ireo Mpanao Lalàna Rosiana

Tsy zava-baovao any Rosia ny fizahozahoan'ny lehilahy sy ny fankahalàna ny fifankatiavan'olon-droa mitovy fananahana, saingy sarotra ny minia tsy hijery fa miaraka tanteraka amin'ny firehana manohitra ny fiovàna ao amin'ny firenena amin'izao fotoana izao ilay ezaka vaovaon'ny Domà mba hiarovana ireo vehivavy amin'ny tomboka vatsa.
E.T. [OVNI] No Mifehy Ny Fihetsiketsehana Ao Hong Kong, Ary Mahita Izany Ny Vaovao Rosiana

Milaza ny tranokalam-baovao Rosiana malaza iray fa misy hery ivelan'ny planeta tany ao ambadiky ny fihetsiketsehana goavana ao Hong Kong.