Tantara mikasika ny Rosia tamin'ny Mey, 2022
Mila manilika ny adiadiny ny Rosiana mpanohitra ka mivondrona manohitra ny ady
Isaky ny misy ny hirika ho an'ny vondron'ny mpanohitra ao Rosia hivondrona hampisy fiovana ao amin'ny firenena, dia miafarana amin'ny fisarahana ireny ezaka ireny hoy Ivan Zhilin mpanoratra gazety tao amin'ny Novaya Gazeta taloha.
Fomba ataon'ireo Rosiana hanoherana ny ady ao Okraina avy amina fanjakana tsy refesi-mandidy iray
Manoratra graffiti, mamela zavatra eny an-dàlana, ary nahita fomba feno famoronana ho entina maneho ny feon'ny tsy fahafaliany eo ambany horohoro tsy mitsahatra ny ho voasazy ireo olompirenena rosiàna.
Maneho ny fanoherana an'i Potinina ny saina vaovao ho an'ireo Rosiana monina any ivelany manameloka ny fanafihana an'i Okraina
Mivondrona eo ambanin'ny sainam-pirenena Rosiana nohavaozina izay ahitana ny fandavana ny imperialisma sy ny herisetra ireo Rosiana monina any ivelany manohitra ny politikan'i Potinina sy ny fananihana an'i Okraina.
Atahoran'ny ao Azia Afovoany ny fitomboan'ny milisy ao Afghanistàna, raha i Rosia mbola manani-bohitra any Okraina
Hatramin'ny nakàn'ireo Talibàna azy tamin'ny Aogositra 2021, nikasa ny hiaro ny sisintanin-dry zareo amin'ny alàlan'ny fanamafisana ny fandriampahalemana sy ny diplaomasia, indrindra fa miantehitra amin'ny hetsika Rosiana, ireo fanjakàna telo ao Azia Afovoany.
Manohana an'i Okraina sy ny vahoaka Okrainiana i Sarajevo
Naneho fangorahana tamin'ireo vahoaka mijaly ao Okraina ny Bosniaka, mifototra amin'ny fahatsiarovany ny fijaliany manokana nandritra ny ady tamin'ny taona 1990, anisan'izany ny fahirano an'i Sarajevo naharitra 3 taona.