· Marsa, 2011

Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Marsa, 2011

Libya: Lasa malaza fatratra ny “mihomehy” Zenga Zenga

Niely niampita vetivety tamin'ny aterineto ny kabarin'ilay tsy mifaditrovana Gaddafi"Zenga Zenga" . Miverimberina lasa hira, nahavitana hira isan-karazany ny sombin-kabary nitenenana tamin'ny vahoaka izany nampanantenan'ny "Guide" ny "hanadio an'i Libya isaky ny santimetatra, isan-trano, isan'efitrano, isaky ny arabe (Zenga Zenga)" ary mihamitombo any amin'ny fifampizaran-dahatsary ka mahamiramirana kokoa ny mpanohitra an'i Gaddafi

Serbia: Fanehoan-kevitra Momba ny Valan-dresak'i Gaddafi Tao Amin'ny Pink TV

Nanao resadresaka teo amin'ny 8 minitra teo tamin'ny telefaona ho an'ny fahitalavitra Serba TV Pink ny filoha Libiana Muammar Al Gaddafi tamin'ny 28 Febroary, nilazany fa i Libia dia tahaka ireny firenena "tena mandry fahalemana tanteraka" ireny. Ireo fanehoan-kevitry ny Serba eo anivon'ny aterineto sy tany anaty fampielezam-baovaom-pirenena ka ahitàna fanekena tanteraka sy fanohanana ny tantaran'i Gaddafi.

Côte d'Ivoire : Mety ho heno ve ny antso fitoniana ?

  05 Marsa 2011

Manaraka ny herinandro mangotraka izay nidiran'i Côte d'ivoire ho amin'ny herisetra tsy mbola nisy [tao] hatramin'ny nahavitan'ny fifidianana ny novambra 2010, dia efa nandalo imolotry ny Firenena Mikambana ny mety hisian'ny ady an-trano. Misy ny mpiserasera Ivoariana, na dia tena vitsy tokoa aza, no miantso fitoniana.