Maneran-tany: Ary ny amboara ho an'ny mpilalao sarimihetsika mendrika indrindra dia lasan'i Gaddafi!

Mety ho nahazo ny Amboara Oscar i Colin Firth ho an'ny mpilalao sarimihetsika mendrika indrindra, nefa ilay mpanao didy jadona Libiana, ny Kolonely Muammar Al Gaddafi no nahazo naoty tsara indrindra.

Arakaraka ny toerana misy anao, nifoha maraina ny mpandefa tweet maneran-tany, na niari-tory, mba hijery ny Fanomezana ny amboaran'ny Akademia faha-83 fanao isan-taona. Maka aina kely amin'ny fandefasana tweet momba ny politika sy ny revolisiona sy tolona mipoitra etsy sy eroa izay nandrako-drahona ny tontolo Arabo, indro misy topimaso amin'ny fanehoan-keviny amin'ny Twitter:

@BorowitzReport: #Oscars Trivia: Ny fanaovana kabary fanekena lava loatra dia antsoina hoe “mamaofy Gaddafi.”

@baratunde: eny, ho tateriko mivantana amin'ny tweet ny #oscars rahalina, satria mila maka aina tsara aorian'ny nitaterana nivantana an'i #mubarak sy #gaddafi!

@MuslimMindNinja: Manontany tena aho hoe mety inona re no akanjo hanaovan'i #Gaddafi amin'ny #oscars e?

@acarvin: Asaivo mihaino Celine Dion i Gaddafi dia ho vita haingana dia haingana io.

@j_bauer: Vaovao mafana: Nanaiky ny handao an'i Libia i Gaddafi raha mifarana eo noho eo ny #Oscars.

@martyalen: Amin'ny ankapobeny, amiko dia tamin'ny taon-dasa i Kolonely Gaddafi no niasa tsaratsara kokoa tamin'ny fampiantranoana tamin'ilay kamiao niaraka tamin'ny elony. #Oscars

@J680Anderson: Gaddafi izao mitetika ny hampiseho ny #oscars ho ampahany amin'ny tetika ampiasainy hampijaliana ireo mpitolona #lateshowwriters

@hyperlocavore: Mbola misy olo-kafa manantena fa hiandry elaela kokoa i #gaddafi hijery ny #oscars ? #killyourselfalready

@DrBottle2010: Ary ny Oscar ho an'ny botox ratsy indrindra dia lasan'i: Muammar el Gaddafi! Arahabaina! #Oscars

@oliverolyat: Nanameloka ny tanora sy ny BBC izy, ary nampitaha tena tamin'i HRH Elizabeth II, dia izao i Gaddafi afaka manameloka ny Oscars amin'ireo olana mitranga any Libia.

@RodrigoEBR: marina ny an'i Gaddafi… Ratsy ny demokrasia… Na i  Paltrow aza afaka mihira any amin'ny #Oscars

@steveweinstein: Miteny amin'ny vahoakany i Gaddafi, jereo fa tsy afaka mahazo demokrasia tahaka ny any Amerika isika. mitondra any amin'ny fihiràn'i paltrow #oscars

@FollowBolson: Mafana… vao niantso an-tariby ny ABC i Gaddafi mba hanontany hoe aiza no afaka hividianana baomba vitsivitsy tahaka ny tamin'ny alina. Tatitra #Oscars. #ABC

@beirutwhat: Na izany na tsy izany afaka manery an'i #gaddafi hijery ny #oscars ve isika? Raha araka ny lazain'i twitter amiko, toa aleony mamono tena toa izay mijery izany.

@Chuckare: Tsy miraharaha ny momba an'i Gaddafi intsony ny olona, te-hanatsahatra ny Oscars fotsiny. #Oscars

@Madame_Dawsha: Tsy mijery ny Oscars aho nefa mahatsikaiky be ireo tweets – misarika ahy ianareo rehetra nefa hampihomehy ihany raha mipoitra i Gaddafi #AttnMonger

@gui_nery: Ary ny amboara ho an'ny mpilalao sarimihetsika mampalahelo dia lasan'i Gadda… Khad… Gathaf… Kadaff… Hosni Mubarak! #oscars

@rania_hafez: fantatrao fa ratsy ny fampiantranoana rehefa mijanona 3 minitra eny ambony sehatra i #billycrystal #oscars

@alialsaeed: Kay bandy mahafinaritra i Colin Firth. faly be aho aminy. mendrika azy iny. #oscars

@Gsquare86: na tsy nahita ny kabarin'i King aho, fa mila ny fandresen'ny Tambajotra Sosialy #Oscars

@Gsquare86: HAHAH +1 RT @princeofthenile: Tsiiiiiiiiiiiiiiia tsy vitako ny mifehy an'i Oprah & Celine amin'ny andro iray @litfreak @monaeltahawy @RaquelEvita @Gsquare86

@TheBoghdady: Celine Dion mihira “Smile”. #Amazing

@Gsquare86: +1 RT @Cer: +1000 RT @melbakry: Teneniko amin'izay izy izao, ity no #Oscars ratsy indrindra hitako

@Cyrenaican: Tsy afaka hijery sarimihetsika misy mpilalao fotsihoditra intsony aho.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.