Manaraka ny herinandro mangotraka izay nidiran'i Côte d'ivoire ho amin'ny herisetra tsy mbola nisy [tao] hatramin'ny nahavitan'ny fifidianana ny novambra 2010, dia efa nandalo imolotry ny Firenena Mikambana ny mety hisian'ny ady an-trano. Misy ny mpiserasera Ivoariana, na dia tena vitsy tokoa aza, no miantso fitoniana.
Tsy mba tahaka ny ankamaroan'ny Ivoariana mpampiasa Twitter, izay mitsoka ny afon'ny fampisarahana hirehitra kokoa na avy amin'ny andaniny izany na avy amin'ny ankilany, ny mpamaham-bolongana Yeni Djidji milaza ao amin'ny bolongany ity herisetra ity ho Fahadalana roa sosona. Voasoratra ao amin'io lahatsoratra io ny fanakianany ny fanimbana ny zotram-pitaterana SOTRA (Société des Transports Abidjanais) nataon'ny mpomba an'i Alassane Ouattara ary melohiny ny valifatin'ny mpanohana an'i Gbagbo izay namotika ny taxibe tsy miankina izay heverina fa mpanohana an'i Ouattara ny tompony.
Vous voyez à quel point la situation devient ridicule. A quel point le fanatisme politique, peut inhiber le bon sens des gens. On sait tous où Alassane se trouve, on sait tous où Gbagbo est. Mais, c'est dans les quartiers que les gens s'empoignent, ce sont les biens qui n'appartiennent ni à l'un ni à l'autre qu'ils détruisent.
Etsy ankilany, manontany tena i Stéphane ao amin'ny bolongany Dans ma cabeza ny antony lalina ao an-tsain'ireo nanao ireo asam-pamotehana ireo. Ao amin'ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe Au nom de … quoi?[amin'ny anaran'ny…inona?], izy no mampahatsiaro ny tsirairay ny fotoana nangirifiry efa nandalovan'i Côte d'ivoire taloha.
Quel souvenir gardons-nous des évènements de 2000 ?
? Une des nombreuses expressions de notre vocabulaire politique : le balayeur balayé ?
? Un « beau » monument censé célébrer les combattants de la démocratie, mais qui ne représente pas encore le symbole qu’il doit être ?
Si vous êtes conscients de l’importance de cette période dans notre histoire mais comme moi, êtes incapables d’avoir un souvenir très précis, alors dites-moi au nom de quoi nous battons-nous aujourd’hui ?
<
Tian'i Stéphane ho fantatra tsara noho izany ny tarigetran'ny Ivoariana ka tonga amin'izao herisetra izao.
Au nom de… quoi ?
Au nom de la souveraineté ??? Clamée par l’un dont certains choix économiques pour son pays trahissent les mots ?
Au nom de… quoi ?
Au nom de la démocratie ??? Défendue par l’autre dont les supputations sur le passé jettent des ombres sur sa cause ?
Souveraineté ??? Démocratie ??? Au regard de tout ce sang versé, ce ne sont que d'autres noms qu’ils donnent au mal selon qu’il vive dans un hôtel ou dans un palais.
Fiandrianam-pirenena???Dradradradrain'ny iray izay mifanipaka amin'ny teniny ny safidy ara-toe-karenany?
Amin'ny anaran'ny… inona?
Demokrasia??? Arovan'ilay hafa izay mbola manaloka azy ny zavatra nataony tamin'io tarigetra io taloha? Fiandrianam-pirenena??? Demokrasia??? Raha jerena amin'izao ra latsaka izao dia voambolana hafa izay atolony amin'ny ratsy na miaina amin'ny efatra fandraisam-bahiny izy na miaina ao an-dapa.
Ao amin'ny Twitter, Ivoariana vitsivitsy no manontany tena amin'ity raharaha ity, tahaka an'i @diabymohamed izay noraisin'i @Jeanjacquesk eto:
@jeanjacquesk RT@diabymohamed #civ2010 on sème ce qu'on récolte. Pourquoi avons nous abandonné notre culture de paix ? POURQUOI ET POUR QUI???
NAHOANA ARY HO AN'IZA???
Ankilan'izany antso fitoniana an-tserasera izany dia nanapa-kevitra ny vehivavin'i Côte d'Ivoire hampiaka-peo ho heno. Tamin'izany tao Treichville (kaominina Abidjan) dia nandeha niakanjo fotsy manontolo ry zareo hanamelohana ny famonoana ny zanak'izy ireo. Nifanao fotoana teo amin'ny foiben'ny PDCI (Parti Démocratique de Côte d'ivoire) ry zareo ary nikasa handingana ireo Mpiandry ny Lapam-panjakana. Polisy maro no nibahana ny diaben'ny vehivavy ary niditra an-tsehatra ny kaomiseran'ny polisy iray hamarana ny diabe.
Vaovao farany: ny 03 Marsa 2011, vehivavy enina na fito no notifirin'ny mpitandro ny filaminana manohana an'i Gbagbo ary nahatratra 100 ny sivily naratra nandritra ny diabe ho fanohanana ny Filoha Ouattara tao Abobo, distrikan'i Abidjan.