Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Aogositra, 2016
Ny Fanjavonan'i Wahid Baloch, Literera Sady Mpikatroka Ara-Tsosialy
"Lehilahy iray niady ho amin'ny famongorana ny fandrahonan'ny fampanjavonana ankaterena no lasa lasibatr'ilay heloka bevava indrindra."
‘Mpisatroka Fotsy’ ao Siria Nanavotra Aina Maro, Voatondro Hahazo Ny “Loka Nobel Ho An'ny Fandriampahalemana”
Ao anatinà fifandirana izay maro loatra no nisafidy ny herisetra, mifoha isanandro ireo Mpisatroka Fotsy mba hamonjy ireo aina ezahan'ireo hafa alaina mafy
Astronomia Dia Mety Nahatrarana Ny Laingan'i Rosia Momba Ny Fitsofohana Antsokosokon'i Okraina ao Krimea
Mety ho nandefa ho hitam-bahoaka porofo hosoka navoakan'ny Servisim-Piarovana Federaly (FSB) ny fahitalavi-panjakana rosiana amin'ilay lazaina ho fahitana fanafenam-pitaovam-piadian'ny “saboteurs” (mpanimba).
Thailandy: Manamafy Sivana Arakaraka ny Anatonan'ny Fitsapankevibahoaka Momba ny Lalàmpanorenana
Raha tian'ny fitondrana miaramila ao Thailandy hojerena tahaka ny azo itokisana ny fitsapankevibahoaka ataony, tsy maintsy hajanony ny fandrahonana ireo mpanao gazety mandrakotra io hetsi-panentanana io ary havelany hikoriana malalaka mankany amin'ny vahoaka ny vaovao.
Sisintany Iraisan'i Krimea Sy Okraina: Notapahan'ny Manampahefana Rosiana Ny Aterineto
“ 'Noho ny antony fiarovana' no nanapahana ny aterineto, Natao io mba hahazoana antoka fa ireo hery manokana sasany... mba tsy hisian'ny mety ho fitsofohana an-tsokosoko... Noho ny resaka fiarovana, nilaina noraisina ireny fepetra ireny, ary takatry ny olona ny antony.”
Ankehitriny, Ampangain'i Maosko i Okraina Hoe Mandefa Mpampihorohoro Ao Krimea. Nolazaina Izany Ireo Mpampiasa Aterineto Rosiana.
Niandry teo amin'ny telo andro teo ireo Rosiana tomponandraikitra vao nampahafantatra ny daholobe momba io tantara io. Nisy tatitra tsy voamarina anefa tany aloha, nahitàna ireo teboka rehetra tamin'ny taratasy fifandraisana navoakan'ny Minisiteran'ny Atitany Rosiana any Krimea.
Ao Aleppo, Maka Razana Avy Amin'ny Korotam-Bato Isan'Andro ny Mpanolotena ‘Satro-Potsy’
"Rehefa mahita olombelona mangirifiry ianao dia mila manao zavatra hanavotana azy ireny."
Ny Fanehoankevitry Ny Vahoaka Vietnamiana Manoloana Ny Didy Momba Ny Ranomasina Atsimon'i Shina
Nivezivezy nanerana ny arabe ireo vondrona mpitaingina kodiarandroa, ka ny tsirairay dia misy olona iray mitàna ny soratra mivaky hoe “Shina Mialà ivelan'i Vietnam”.
Ayatollah Khomeini Maty 27 Taona Lasa Izay, Saingy Mbola Tian'ny Mpanolotsain'i Trump Hanameloka Ny Fanafihana Tao Nice
Niseho tao amin'ny Fox News, nilaza i Flynn hoe , “Tiako ny Imam, na i Khomeini, mba hijoro sy ho voatondro ary hiresaka momba ity endrika ideolojia radikaly any anatin'ny ràny ity "
Milisy Sivily Nofanin'i Rosia “Vonona Hiady Amin'ireo Mpitsoaponenana” Any Amin'ny Sisintany Iraisany Amin'i Bolgaria
Fanehoana lehibe ny fitomboan'ny tsy fitiavana vahiny any Bolgaria ny fisian'ireo milisy sivily mpihaza mpitsoaponenana manamorona ny sisintanin'ny firenena . Hatreto, mangina tanteraka mikasika ilay olana ireo manampahefana.