Firenena vaovao ao Pasifika? Nifidy ny fahaleovantena miala amin'i Papoà Ginea Vaovao i Bougainville

Sary: pejy Facebook-n'ny Vaomimeran'ny Referandaoma Bougainville

Maherin'ny 180.000 ireo Bougainvilliana nandray anjara tamin'ny referandaoma nanomboka ny 23 Novambra hatramin'ny 7 Desambra ary nifidy maro dia maro ho amin'ny fahaleovantena izy ireo fa tsy ny fizakantena bebe kokoa avy amin'i Papoà Ginea Vaovao.

Faritra miorina ao atsinanan'ny tanibe Papoà Ginea Vaovao i Bougainville na dia anisan'ny vondronosy Solomon ao Oseania ara-jeografika aza.

Nipoaka tao Bougainville tamin'ny taona 1988 ny ady an-trano noho ny fiantraika ara-tsosialy sy ara-tontolo iainana nateraky ny toby fitrandrahana Panguna ampiasain'ny orinasa Aostraliana ao amin'ny nosy. Nisy ny fitroarana mikasika ny fomba fitantanana ny toby tsy mitondra tombontsoa ho an'ny vahoaka ao an-toerana. Nanaparitaka tafika ny governemantan'ny tanibe Papoà Ginea Vaovao ka niteraka ady nitam-pidiana izany. Naharitra efa-taona ny krizy ary voalaza fa aina an'arivony no nafoy mandra-pisan'ny fifanarahana fandriampahalemana nosoniavina tamin'ny taona 2001 izay nitarika ny fananganana ny Governemanta Mizakatenan'i Bougainville. Nahitana fiantohana hanatontosa referandaoma ihany koa ny fifanarahana mba hamaritana raha maniry fahaleovantena na fizakantena avy amin'i Papoà Ginea Vaovao ny Bougainvilliana.

Ny parlemantan'i Papoà Ginea Vaovao no hanapa-kevitra farany raha vao maharay ny vokatry ny referaondama

Mandritra izany, mankalaza ny fahombiazan'ny referandaoma i Boungainville:

Fahaleovantena ho an'ny vahoakan'i #Bougainville izany. 176.928 ireo nifidy ho an'ny #Safidyfaha2 raha 3.043 kosa no nandatsa-bato ho amin'n'ny Fizakantena bebe kokoa [#GreaterAutonomy] avy amin'i #PNG.

Namoaka fanambarana manasongadina ny maha zava-dehibe ny voka-pifidianana ny vaomieran'ny Referandaoma Boungainville:

The Referendum roll had equal numbers of women and men voting

The Referendum roll had 25 percent first-time voters

The voter turnout of at least 85 percent was high when compared with international democratic electoral experience, and is the highest of any electoral process in Papua New Guinea

The informal vote of 1,096 was low when compared with international democratic electoral experience and national elections.

Nahitana fandraisana anjara mitovy teo amin'ny isan'ny vehivavy sy ny lehilahy nifidy tamin'ny referandaoma

Sambany nahitana mpifidy 25 isanjato  ny referandaoma

Ambony ny taham-pandraisana anjara farafahakeliny 85 isanjato raha ampitahaina amin'ny traikefam-pifidianana demaokratika iraisampirenena, ary izy no ambony indrindra amin'ny fizotry ny fifidianana any Papoà Ginea Vaovao.

Ambany ny vato tsy ofisialy 1.096 raha ampitahaina amin'ny zavatra iainana amin'ny fifidianana deamokratika iraisampirenena sy ny fifidianana nasionaly.

Ity ambany ity ny sarin'ireo Bougainvilliana nandritra ny fitsapan-kevi-bahoaka. Betsaka ny olona faly nandray anjara tamin'ny fifidianana manan-tantara, indrindra ireo niaritra ny ady naharitra an-taonany maro nandritra ny ady an-trano.

Omaly ny raiko nandatsaka ny vatony tamin'ny referandaoma #Bougainville. Namoy rahalahy 2 aho nandritra ny krizy, ary tahaka ireo hafa tsy tambo isaina, mieritreritra amin'ny lova fototry ny ady isan'andro. Enga anie isika hanana fiadanana maharitra.

Ao #Bouganville, mitondra ny vata fandatsaha-bato amin'ny fomba nentim-paharazana ny renim-pianakaviana. Milaza izy ireo fa mikarakara tsara ny hoavin'ny zanany izy ireo. “Omeo anay izay tadiavinay” Arahin'ny polisy sy ny hiaka nentim-paharazana..singsing Kaur pairap lo arawa lo bik sun … (Teny sy Sary avy amin'i June Magasu)

Hotontosaina in-telo miatoana mandritra ny 8 ora ny fanisam-bato ary antenaina hivoaka amin'ny Talata herinandro ho avy farafahatarany ny vokatra. Ny filohan'ny Referandaoma Bertie Ahern no hamoaka ny fanambarana ofisialy. #BougainvilleReferendum #PeaceByPeacefulMeans @ForumSEC @PACNEWS1 pic.twitter.com/9LrCul8xW5

Saingy nisy ihany koa ireo Bougainvilliana izay nahatsapa fa tokony ho hirika hiresahana ireo olana lehibe hafa mahakasika ny dingana ho amin'ny fandriampahalemana tahaka ny fitakiana fanonerana ho an'ireo niharam-boina tamin'ny ady ny referandaoma. Misy ny vondrona Facebook antsoina hoe ‘Feon'i Bougainville Mangina’ izay mampahatsiahy ny manampahefana momba ny tokony hanajana ny zon'olombelona sy hiheverana ny antson'ireo niharam-boina “mangina” tamin'ny ady. Henny Kuijpers, mpikambana ao amin'ny vondrona niresaka tamin'ny anaran'ireo fianakaviana mitady ny rariny noho ny fijaliana niaretan'izy ireo nandritra ny ady:

We the innocent victims of this war will never be free and the war will never end for us psychologically until our human rights, our Constitutional rights which were deprived of us as Bougainvilleans and Papua New Guineans have been addressed and sorted out by the PNG government and our ABG leaders.

Tsy ho afaka mihitsy izahay lasibatra tsy manan-tsiny amin'ity ady ity ary tsy hifarana mandrakizay ara-psykolojia ho anay ny ady raha tsy resahana sy omen'ny governemantan'ny PNG sy ireo mpitarika ABG ny zo maha olombelona anay, ny zo ara-dalàmpanorenana izay nesorina taminay amin'ny maha Bougainvilleana sy Papoà Gineana Vaovao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.