Nanomboka ny fitetezam-paritra tany Afovoany tsinanana sy Afrika Avaratra tamin'ny 1 Jona IiMadonna ka nanatanteraka ny fampisehoany voalohany tao Abu Dhabi, Emirà Arabo Mitambatra, ny 3 sy 4 Jona. Niteraka fifandirana ny fampisehoana noho ny fitafian'i Madonna sy ny lohahevitra ataony mirona amin'ny fanintonan'ny nofo
Miatrika fanoherana avy amin'ny antokon'olona mpandala ny nentin-drazana any amin'ny fiaraha-monina hatrany ny mpihira any amin'ny firenena silamo; foana moa ny fampisehoana tokony ataon'i Lady Gaga ao Indonezia noho ny fanerena nataon'ireo mpitahiry ny nentin-drazana sy ny mpitana ny fihenjanana. Tsy nety ihany koa ny fotoana satria taorian'ilay Famonoana tao Houla tany Syria no saika hanaovana azy. Voatsikeran'ireo mpisera Twitter noho ny antony maro i Madonna.
Lalàna eo amin'ny fomba fiakanjo ao Emirà Arabo Mitambatra
Namintina ireo toe-javatra tao amin’ny siokany (tweet) ilay mpiangaly lamaody Hala Zadeh
@halaZadeh: Mandray an’I Madonna any Abu Dhabi, mamantatra azy, avy eo mitsikera sy manivaiva azy eny rehetra eny!
Tsy misy lalàna momba ny fomba fiakanjo any Emirà kanefa misy ny ezaka hametrahana lalàna momba ny fiakanjo
Nilaza I Savannah NOT Banana hoe:
@EasyAsPieMmmPie: Fantatrao ve ny olona tsy mba miraharaha momba ny #UAEDressCode (lalàn’ny fomba fiakanjo any UAE)? Madonna, tany Abu Dhabi, na taiza aiza tokoa
Fampiratina miharihary ny marika Kristiana
Noho ny saikanosy arabo toerana nahaterahan’ny finoana silamo, no indraindray hiheverana fa manimbazimba ny fampisehoana ankarihary ny marika ahafantarana ny fivavahana hafa. Nampiasa vokovoko amin’ny refiny samihafa moa I Madonna ho toy fifindrana ny dingana manaraka, ary natomboka tamin’ny alalan’ny famelomana lakolosy ny fotoana, sy tamin'ny hira sy fomban'ny moanina. Khaled Hammadi nisioka:
Nisioka ny Saodiana Mansor Al-Harethi :
Ahiahy fifandraisana amin'ny “Illuminati”
Mampiseho kisarisarim-pivavahana ny fampisehoan’ny Madonna. Nisioka ny heverina ho fifandraisan'i Madonna amin’ny Illuminati I Hamad Al-Shirawi:
@Hamad_AlShirawi: Aza asiana fampisehoana illuminati be manadala intsony azafady. #Madonna
Fananahana
Nanoratra ny Bilaogera ivelan'ny tanindrazana Pam fa:
Tsy miseho ho hendry aho, fa nihoatra ny fetra izy. Mino aho fa tsy faly taminy na ireo olona sasantsasany izay nanatrika na koa ireo mpitantana sasany eto amin’ny firenena izay naheno resabe tamin’izany. Tsy misy mivantana ho an'ny islamo hitako tamin’ny fampisehoana, kanefa mino aho fa tsy mandeha ilalana ankoatra ny zavatra hafa ilay izy nanoroka vehivavy sy ny fiakanjo manao vokovoko an'ireo mpandihy.
Faniratsiràna
Tamin’ny fiandohan’ny fampisehoana, niteny tamin’ny mpanatrika i Madonna miantso azy ireo ho “nateraky ny mpamosavy”. Hoy ity namana mpisera Saudi Sheikh Khaled Al-Sagaby:
@KhaledAlSaqaby: #مادونا_تراقص_جراحنا الإعلام القذر هو الذي أسهم في تقبل خمسة وعشرين ألف للقب(أبناء العاهرة )فقد أسهم خلال سنوات طويلة إلى إماتة الغيرة
Thomas O’Hara bilaogera Amerikana nisintaka ny tanindrazana, nampiseho hoe:
Reko fa ny hira voalohany dia ao amin’ny HEBREO ary tsy nitsahatra ny namoaka faniratsirana izy mandritra ny seho manontolo. Raha olo-tsotra dia efa nalefa tany am-ponja an-taona maro noho ny fihetsika imasom-bahoaka toy izany.
Fotoana Tsy Nety
Nitranga taoriana kely ilay famonoan’olona tany Syria ny fampisehoana. Nilaza ity mpiserasera Emirati fa tsy fotoana hifaliana sy hanaovana fety izao. Nanao fanentanana an-tserasera tamin'ny fampiasana ny tenifototra #مادونا_تراقص_جراحنا ry zareo . (#mandihy amin’ny fahoriantsika I Madonna).
Bilaogera Mohamed Alfraj naneho [ar] hoe
Naneho ny fahadisoam-panantenany I Ibrahim Bilaogera Emirati tamin’ny tsy fahombiazan’ilay tenifototra tamin’ny Twitter:
Na izany aza, Ahmed Ali-Gargaoui Bilaogera Emirati nanoratra fa mampiady hevitra amin'ny ankapobeny ny zavatra fanaon'i Madonna
Fantatsika rehetra ny paik’adin-tseraseran’I Madonna, kanefa raha tsy jerena ny korotandrotana nateraky ny fahatongavan’ny Madonna ao Abu Dahbi… mino aho fa nahombiazana ny nataony, fantatsika rehetra ny marika Madonna mpiteraka adihevitra ka raha tsy tianao ny hiditra ao halanao dia aza mankao fotsiny tahaka ny sarimihetsika ho an’ny mihoatra ny 18 taona, aza mijery raha toa ka manafintohina anao.[…] mihevitra aho fa tantanan’olona hendry ny firenena, ary tsy navelan'izy ireo hanao fampisehoana eto izy raha tena mampifanolana loatra sy manevateva ny nataony.