Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Avrily, 2014
Tsy Mandainga Ny Silamo.. Mandrakizay
Na dia teo aza ny fampitandremana fa ny fiantsapazana amin'ny lamasinin'ny Andron'ny lainga dia mety mitondra any amin'ny helo mandrakizay, satria tsy mandainga ny Silamo, nanapa-kevitra ny hanao io andro io ho fitsikerana ny mpitondra azy ireo ny ankamaroan'ny mpiserasera amin'ny aterineto any amin'ny tany Arabo.
Hetsika “Click Rights” Hoan'ny Zo Nomerika Ao Afovoany Atsinanana Sy Afrika Avaratra
Ny fanentanana vaovao « Click Rights » dia mikendry ny hanaitra sy hampafantatra bebe kokoa ireo zo nomerika amin'ny olom-pirenena, mba hahafahan'izy ireo hanao fanerena ny governemanta sy ny sehatra tsy miankinaho fanajana ireo zo ireo.
Molhem Barakat: Tanora Mahery Fo Lavo Tao Siria
Araka ny vaovao dia nisy namono i Molhem Barakat, mpaka sary tsy miankina niasa ho an'ny Reuters, raha toa ka nitatitra ny ady nisy teo amin'ny fanjakan'i Bashar Al-Assad sy ireo mpikomy tany amin'ny Trano Fitsaboana Al-Kindi ao Aleppo. 18 taona monja izy.
Shina : Ny Fiantohana Amin'ny Setroka, Vahaolana Farany Amin'ny Fahalotoan'ny Rivotra iainana
Ny fiantohana amin'ny setroka, izay voalohany amin'ity karazany ity, dia mikendry ireo mpivahiny sy ireo mponina any amin'ny tanàna fito any Shina. Niaina tao anaty fahalotoan'ny rivotra iainana nandritra ny taona maro ny tanàna sasany.
Malezia : Manosika Fotokevitry Ny Tsikombakomba Ny Misterin'ilay Fiaramanidina MH 370
Herinandro taorian'ny niandrasana ny valinteny tamin'ny tsy fahitàna ilay fiaramanidina MH370 sy ireo mpandeha 239 dia nisy fotokevitra marobe momba ny tsikombakomba nivoaka mba hameno ny banga momba ny zava-nitranga.