Tsy Mandainga Ny Silamo.. Mandrakizay

Muslims don't lie .. No to April Fool's. Photo credit: @al_tarb_al_a7mr

Tsy mandainga ny Silamo.. Tsia ho an'ny andron'ny lainga. Sary tahiry : @al_tarb_al_a7mr

Na dia teo aza ny fampitandremana fa ny fiantsapazana amin'ny lamasinin'ny Andron'ny lainga dia mety mitondra any amin'ny helo mandrakizay, satria tsy mandainga ny Silamo, nanapa-kevitra ny hanao io andro io ho fitsikerana ny mpitondra azy ireo ny ankamaroan'ny mpiserasera amin'ny aterineto any amin'ny tany Arabo.

Nanao vazivazy i Abdelrahman Al Kanhal avy any Arabia Saodita :

Namolavola tetikasa anankiroa ho fampandrosoana ny rafi-pitsarana sy ny fampianarana ny Mpanjaka Abdulla.

Ary nampiany hoe :

Mandray fepetra matotra hanafoanana ny fikorontananan'ny fifamoivoizana ny Fanjakana

Ary momba ny tsy fahazoan'ny vehivavy mamily fiara ao amin'ny fanjakana dia izao no nosoratany :

Ny fiarahamonina ihany no manapa-kevitra ny amin'ny zon'ny vehivavy hamily fiara. Ary tsy manohitra ny familian'ny vehivavy fiara izahay fa mampiditra am-ponja azy ireny kosa raha manao izany izy ireny satria lavin'ny fiarahamonina ny familian'izy ireny fiara.

Mandritra izany fotoana izany dia namoron-dainga ny amin'ny fiverenan'i Mohamed Morsi, ilay filohan'ny Firahalahiana Silamo voaongana, avy any an-tsesitany ilay Ejyptiana Adham Morad :

Tafaverina i Morsi !!

Mbola any Ejipta ihany, nibitsika i Adilovic izay mino fa ho mifanaraka amin'ny zava-misy ny faniriany :

Nanapa-kevitra ny governemanta ny hampiakatra ny karama, hanohana ny fanampian'ny fanjakana, ny hampiakatra ny tetibola ho an'ny fampianarana sy ny fahasalamana ary hanome fiainana mendrika ny Ejiptiana, fahalalahana sy rariny ara-piarahamonina

Bitsihin'i Ammar Al Aradi avy any Bahrain ny andianà vazivazy momba ny andron'ny lainga, izay raisin'ny olona sasany ho tena marina. Izao no nosoratany :

Raisin'ireo olona sasany ho tena izy ireo bitsika farany nataoko. Voalohan'ny volana Aprily izao. ‘Ndao hajanona mialohan'ny hikorontanan'ny olona lol.

Ireto ny sasany amin'ireo vazivazy ireo :

#Kuwait heverina ny haha-ara-dalàna ny fampiasana ny ‘hashish’ (zava-mahadomelina) ho fanafody rehefa navoakan'ny fandinihina fa maherin'ny 60%-ny tanora no efa mampiasa azy sahady

Miverina any arabia Saodita, dia nofaranan'i Ahmed Al Maani :

Mandreraka ny Fetin'ny lainga ho an'ny Arabo satria tsy fanaony izany

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.