Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Novambra, 2014
Ankizy Mpitsoa-ponenana Ao Myanmar, Mizara Ny Tantarany Amin'ny Taokanto Ho An'y Maso
Mifototra amin'ireo atrikasa niarahany tamin'ireo tanora mpitsoa-ponenana avy any Birmania, manomana famoahana boky iray hamondronany ireo taokanto nataon'ny ankizy nandritry ny seminera nataony ilay Amerikana mpanoratra, Erika Berg .
Milaza Ilay Thailandey Mpianatra Fa Mitsikilo Ny Ataony Ny Fitondrana Miaramila
Niresaka tamin'ny Globak Voices momba ny zava-iainany amin'ny fampiroboroboana ny fanovana eo amin'ny governemanta tantanin'ny miaramila ao Thailandy i Nattanan Warintarawet, izay mandala ny famoriam-bahoaka sy ny fahalalaham-pitenenana.
Tanoran'i Djibouti Mijery Tàratra An'i Burkina Faso Mba Handrafetany Làlana Demaokratika
Tamin'ny 3 Novambra, nanao diabe ny Hetsiky ny Tanora Mpanohitra, namakivaky ireo arabe tao Djibouti hanoherana ny fibodoana fahefana nandritr ny 15 taona nataon'i Ismaïl Omar Guelleh.
Tian'ireo Mpanongam-panjakaka Thailandey Hanadino Ny Praiminisitra Ny Mpanoratra Gazety
Nangataka tamin'ny fampahalalam-baovao ny jeneraly Prayuth Chan-ocha, fitondrana miaramila vaovao ao Thailandy mba tsy hitatitra ny zavatra ataon'ireo lehibem-panjakana teo aloha tao Thailandy.
GV Face: Mifidy Aorian'ny Revolisiona Ao Tonizia Sy Okraina
Vao avy nanatontosa fifidianana i Tonizia sy Okraina vao haingana, dingana goavana ao anatin'ny vanim-potoana manaraka ny revolisiona.
Maninona i Madagasikara No Tafalatsaka Indray Anatin'ny Haizina?
Ireo fandisoam-panantenan'ny orinasa mpamokatra herinaratra any Madagasikara araka ny fahitan'ireo Malagasy mpampiasa aterineto.
Misokatra Indray Ny Toerana Masina Ao Jerosalema Taorian'ny Fikendrena Hamono Jiosy Mpikatroka Mafàna Fo, Henjankenjana Ny Raharaha
Ilay famonoana nikendrena an'ilay Jiosy mafàna fo avy amin'ny elatra havanana sady mpitari-pivavahana, Raby Yehuda Glick, no voatondro ho "fiharatsiana saropady indrindra" eo amin'ny fifandraisan'ny Israeliana sy ny Palestiniana, nametraka ahiahy maro any amin'ny faritra momba ny hoe andàlan'ny hitsimbadika ho any amin'ny intifada (fitroarana) fahatelo ilay faritra