GV Face: Mifidy Aorian'ny Revolisiona Ao Tonizia Sy Okraina

Vao avy nanatontosa fifidianana i Tonizia sy Okraina vao haingana, dingana goavana ao anatin'ny vanim-potoana manaraka ny revolisiona. Napetraka ny sehatra an-tserasera avo lenta tao amin'ireo firenena roa tonta ireo mba hanentanana sy hanampiana amin'ny fanarahamaso ny latsa-bato, saingy niharan'ny olana ara-mpampitaovana sy toe-javatra hafa ny fizotry ny fifidianana, tahaka ny ady ankehitriny amin'ireo hery mpanohana ny Rosiana ao Okraina sy ny tsy fandraisana anjaran'ireo mpifidy amin'ny fifidianana ao Tonizia noho izy ireo tsy afa-po tamin'ny zavabita ara-politika nandritra ny telo taona farany.

Amin'ity fizarana GV Face ity, niresaka momba ny vokatry ny fifidianana, sy ny anjara asan'ny aterineto sy ny media sosialy tamin'ny fizotry ny fifidianana ny mpanoratra ao amin'ny GV Tonizia Ahmed Medien sy ny mpanitsy lahatsoratra ao amin'ny Runet Echo Tetyana Lokot.

Vakio ihany koa:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.