Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Septambra, 2021
Vonona i Hong Kong handrava alohan'ny Fetim-pirenen'i Shina ny vavolombelona Tiananmen
Eo an-dalam-paharavana ny Hong Kong Alliance, vondrona mpanohitra mpikatroka, taorian'ny fisamborana ireo atidohan'ny mpikambana ao aminy, izay mbola mikiky ihany koa ny sisa tavela amin'ny demaokrasian'i Hong Kong.
Voamariky ny fanovana lalampanorenana sy ny tsy fitokisana ny filazana fifidianana ao Angola
Tokony hatao ny volana Aogositra 2022 ny fifidianana, saingy efa miteraka adihevitra teo amin'ireo Angoley, indrindra noho ny tsy fitokisana ny fomba hitantanana ny dingana.
Milaza tsy hiasa ao Rosia intsony ny vondrona famoahan-gazety fanadihadiana OCCRP
Nilaza i Drew Sullivan, mpiara-manorina sady lehiben'ny fanoratana OCCRP, fa "manimba kokoa fa tsy manasoa" ireo mpitati-baovao ao Rosia ny asan-dry zareo ao anatin'ny faritra rosiana.
Manohitra ny fanonganam-panjakana sy ny fanjakan-dehilahy: Antsafa nifanaovana tamin'i Nandar, mpikatroka feminista ao Myanmar
"Tiako ho fantatry ny olona fa tsy fihetsika lafo vidy ny fanehoana firaisankina. Azo atao amin'ny fomba maro izany raha tsy mametra ny tenanao ianao."
Mitaky ny fialàn'ny praiminisitra Thailandey Gen Prayut ny mpanao fihetsiketsehana
Nanomboka tamin'ny herintaona, nitaky ny fialàn'ny praiminisitra Gen Prayut izay tonga teo amin'ny fitondrana tamin'ny alàlan'ny fanonganam-panjakana tamin'ny taona 2014 ny mpanao fihetsiketsehana.
Iza no manandratra ny fampihorohoroana: Mpianatra ao Hong Kong sa ny governemanta shinoa?
Nosamborin'ny polisin'i HK ny mpianatra oniversite efatra fa hoe 'miaro ny fampihorohoroana' amin'ny fisaonana fahafatesana mpanafika polisy iray. Mandritra izany fotoana izany i Shina hita miara-miasa amin'ny Taliban Afghan.
Afobe mandravarava an'i Makedônia Avaratra, manimba ireo ala sisa tavela
Ho fiatrehana ireo firehetana any an'ala izay mandravarava ny avaratr'i MAkedônia, nambaran'ny governemanta ny fisian'ny hamehana
Nanitatra ny fitondrana fanokana-toerana manokana i Azerbaijan
Tamin'ny 1 Septambra, ny olom-pirenena rehetra mihoatra ny 18 taona dia tsy maintsy mampiseho porofo fa vita vaksiny rehefa miditra amin'ny toerana mihiboka, ao anatin'izany ny trano fisakafoana, ny fisotroana kafe, ary toeram-pivarotan-dehibe.
Mpanao hetsipanoherana ny fanaovana vaksiny, nanao bemidina tao amin'ny haino-vaky-jerim-panjakana, nandrahona mpanao gazety
Voatery ny pôlisy slôveniàna nanaisotra tamin-kery ireo olona roapolo mahery manohitra ny fanaovana vaksiny no sady tsy nanao arotava sy naniratsira mpanao gazety.
Bilaogera voaheloka higadra noho ny fanamarihana ny politikan'ny teny ao Kazakhstan ho “tsy tia Rosiana”
Araka ny voalazan'i Taichibekov, “nikaroka ireo olona Rosiana izay manohana ny fanakanana ny fahitalavitra Rosiana, mandràra ny fiteny Rosiana, sy ny fanalana azy amin'ny Lalàmpanorenana” ny fanjakana Kazakh."