Tantara mikasika ny Fahasalamàna tamin'ny Febroary, 2024
Fandrika ho an'ny fitondrana Sandinista any Nikaragoa ny vola fisotroan-dronono
Tsy dia miraharaha loatra ny fahanteran'ireo mpanao fihetsiketsehana ny fitondrana Sandinista raha ny mahakasika ny fanagadrana azy ireny, ka nitarika ny ampolony tamin'izy ireny niafara tany amin'ny fonjan'i Nikaragoa ho toy ny gadra politika.
Nofoanan'ny Fitsarana Tampony ao Però ny fizotram-pitsarana fanamombàna ankaterena nandritra ny fitondran'i Fujimori
Tonga izao fanapahan-kevitry ny Fitsarana Tampony izao vokatry ny fitorian'ny minisitry ny fahasalamana teo aloha nandritra ny governemanta Fujimori, mba tsy hitsarana azy amin'ity raharaha ity.
Manimba ny vehivavy sy ny zazakely any Borondi ny fampiasana afo kitay amin'ny vanim-potoanan'ny orana
Borondiana maro no mampiasa kitay hahandroana sakafo, saingy manapoizina ny vehivavy sy ny zazakely ny setroka manimba avoakan'ny kitay lena.
Mahatonga ny valan'aretina koha-davareny ny fisalasalana hanao vakisiny any Makedonia Avaratra
. Mitaky ny hanambarana ny fisian'ny areti-mifindra koha-davareny any Makedonia Avaratra ireo manam-pahaizana momba ny fitsaboana, satria, tamin'ny 8 febroary, nandrakitra tranga 28 vaovao ny Ivon-toerana momba ny Fahasalamam-bahoaka, izay zazakely tsy vita vaksiny ny ankamaroany.
Any avaratr'i Ogandà, ‘miaraka sitrana’ ireo sisampaty tamin'ny ady sy ireo alika mpampionona
"Ny fitsaboana amin'ny alàlan'ny biby dia miorina amin'ny fifamatorana efa nisy nialoha teo amin'ny olona sy ny biby. Asehon'ireo fandinihana fa ny fifandraisana amin'ny biby fiompy azo iaraha-monina dia afaka manampy amin'ny olana ara-batana sy ara-tsaina isan-karazany."