· Aogositra, 2018

Tantara mikasika ny Fahasalamàna tamin'ny Aogositra, 2018

Fitsinjarazaràna Avy Any Ogandà

Mitohy miditra amin'ny volana faha-telo ny fifampiresahana mavesatra mikasika ny fandriampahalemana ao Juba, Sodana, eo amin'ny Governemanta Ogandey sy ny Lord's Reistance Army (LRA), miaraka amin'ny fifampiampangana ataon'ny andaniny sy ny ankilany ho tsy manaja ny fifanarahana mikasika ny fampitsaharana an'ireo habibiana. Na izany aza, voasoroka ny fahatapahana tanterak'ireo fifampiresahana ireo rehefa nanambara ny Governemanta an'i Sodana Atsimo fa tsy ny LRA mihitsy, fa kosa ireo mpikatroka Sodaney tavaratra miteny arabo, no namono sivily 38 tao an-tanàna manakaiky an'i Juba.

28 Aogositra 2018

Any Shina, Miaritra Fandòrana Amin'ny Herinaratra Ireo Miankindoha Amin'ny Aterineto

GV Mpisolovava

Ahariharin'i Guo Jianloong, mpanao gazetin'ny 21st Century Business Herald, tao amin'ny lahatsorany ny fomba fanao tsy mifanaraka amin'ny maha-olona ampiharin'ny toeram-pitsaboana iray misahana manokana ny fitsaboana ireo miankindoha amin'ny aterineto any Shandong Lin-yi (臨沂 izay tarihin'i Yeung Yongxin. Nanetsika ireo ray aman-dreny hitory an'i Yeung i Guo rehefa nahita ilay lahatsoratra. Fa inona marina no zava-misy ao amin'io toeram-pitsaboana io ?

27 Aogositra 2018

DoGooderTV: Nisokatra ny fifidianana ho an'ny lokan'ny lahatsary tsy mitady tombontsoa

Nifarana ny Asabotsy 25 Aprily 2009 ny fifantenana ireo mifaninana Loka DogooderTV 2009 NonProfit Video, ary azo nojerena tao amin'ny tranonkalany ireo lahatsary samihafa nalefan'ireo fikambanana mba hampiroboroboana ny lohahevitra. Hasehonay anao androany ny sasany tamin'ireo lahatsary nifaninana izay nifantoka tamin'ny olana iraisampirenena.

18 Aogositra 2018