Tantara mikasika ny Fahasalamàna tamin'ny Desambra, 2008
SIDA: Kamboty, diabe, ary fahatsiarovana
Ho tohin'ny takelaka manokana momba ny SIDA tahaka ny Fihaonambe 2008 momba ny SIDA sy ny Andro manerantany momba ny SIDA 2008, dia mitondra lahatsary maneho ny fahasahiranana mahazo ny kamboty izay matin'ny SIDA ny ray aman-dreniny, ny andro iadiana amin'ny SIDA any Bangladesh, fampahatsiarovana avy any Meskika avy amin'ny SexualidadIntegral (fandefasampeo sy sary) ary ny fiantraikan'ny tatitra avy any an-drenivohitra Mexico momba ny fahaonambe 2008 momba an'i SIDA izahay.
Zamaika: Andro eran-tany natokana ho an'ny SIDA
Natokana ho andro eran-tany ho an'ny SIDA ny anio [01 desambra], ary amin'ny maha-faritra iray manana tahan'olona somary ambonimbony ihany miaina miaraka amin'ny otrik'aretina VIH/SIDA azy, dia mety halaim-panahy hieritreritra...
Andro manerantany ho an'ny sembana tany Azia Atsimo
Marihana manerantany ho andro iadiana amin'ny SIDA ny 1 Desambra ary dia dradradradraina fatratra ho fantatry ny rehetra izany. Tsy mba tahaka ny fijerin'izao tontolo izao ny andro iadiana amin'ny SIDA, fa saiky tsy hita tabilao amin'ny fampahalalam-baovao manerana izao tontolo izao ny andro manerantany ho an'ny sembana. Marihina isaky ny 3 desambra isan-taona ny andro fanajana ny fandraisana anjara birikin'ny manana fahasembanan'ny vatana na ny saina ho an'ity tontolo iainantsika ity.
Madagasikara: Ady amin'ny fanamoramorana mandritra ny andro manerantany iadiana amin'ny SIDA
Mampahatsiahy ny mpamaky azy ny mpamaham-bolongana mandritra ity andro manerantany iadiana amin'ny SIDA ity fa na dia eo aza ny fandrosoana misy eo amin'ny fisorohana ny VIH sy ny fitsaboana...