Tantara mikasika ny Fahasalamàna tamin'ny Oktobra, 2015
Ny Fomba Nanosehan'ny Media Sosialy Ny Fankafizan'ireo Shinoa Ny Fandidiana Fanovàna Endrika
Mba handresena lahatra ireo tanora tovovavy marobe hiroso horasarasain'ny antsiny ka ho lasa tsara tarehy, mampiasa tetikadim-barotra matanjaka ety anaty media sosialy ny indostrian'ny fandidiana fanovàna endrika ao Shina.
Toy Ny Hoe Ranomandry, Nefa Dia Poizina Be ity Roatra Eo Ambonin'ny Farihy Bangalore ity
Ao amin'ny farihy antsoina hoe Bellandur no tena miforona ireo roatra ao Bangalore, India, farihy izay hatry ny ela no efa ivarinan'ireo rano maloto sy loto simika tsy nisy fikarakaràna sahaza akory.
Vehivavy Shinoa : Mandany Ny Andro Tsy Fiasàny Amin'ny Fanaovana Hetsi-panoherana Ny Fandidiana Tarehy Zara Fa Vita Any Korea Atsimo
Tsy nalefadefaka tamin'ny hetsi-panoheran'ireo vehivavy ny ankamaroan'ireo Shinoa mpisera amin'ny Aterineto. "Nahoana àry ny olona eto amin'ity tany ity no lasa zava-poana?" hoy ny fanehoankevitra iray.
Inona Momba Anao Manokana Moa Rehefa Siriana Ianao?

"Ahoana no fomba hanavahana ny ampahany an'ny tena manokana sy ny an'ny daholobe ao anatin'ny habibianao manoloana ireo izay te-hamono anao fotsiny noho ny ezakao hametraka ny zonao manokana sy ny an'ny daholobe?"
Tsy Mahazo Alefa Any R.D.Kôngô Ilay Horonantsary “Ilay Lehilahy Manamboatra Ireo Vehivavy, Ny Hatezeran'i Hippocrate”
Noraràna tao amin'ny fireneny, Repoblika demôkratikan'i Kôngô, ilay sarimihetsika "Ilay Lehilahy Manamboatra Ireo Vehivavy, Ny Hatezeran'i Hippocrate" avy amin'ny asan'ny Dr. Mukwege.