
Vehivavy maherin'ny 200.000 nomombaina tamin'ny andian-taona 90 tany Però tanaty politikan'ny governemantan'i Alberto Fujimori. Sary avy amin'i Liz Tasa sy Tadeo Bourbón. Nahazoana alalana.
Navoakan'i Salud con Lupa tamin'ny 23 Desambra 2023 ity lahatsoratra ity. Naverina navoaka ato amin'ny Global Voices endrika nasiam-panitsiana noho ny fiaraha-miasa media.
Ny andron'ny Desambra 2024 — namotsorana ny Filoha teo aloha Alberto Fujimori, nanefa sazy 25 taona noho ny heloka bevava natao tamin'ny zanak'olombelona — no nanajanonan'ny Fitsarana Tampony ao Però ny fizotram-pitsarana nanerena an-terivozona olona an'hetsiny ho momba nandritra ny fitondrana jadon'i Fujimori, sy nandidiana hamerenana ny raharaha ho any amin'ny Oktobra 2018 indray, tao amin'ny biraon'ny Fampanoavana misahana ireo raharaha fanitsakitsahana zon'olombelona, mba hahafahana mamolavola fitarainana heloka bevava vaovao sy ahafahan'ny mpitsara iray manapa-kevitra raha hosokafana ny raharaha na ampirimina.
Tonga izao fanapahan-kevitry ny Fitsarana Tampony izao vokatry ny fitorian'i Alejandro Aguinaga minisitry ny fahasalamana teo aloha nandritra ny governemanta Fujimori, mba tsy hitsarana azy amin'ity raharaha ity. Anisan'ireo tohan-kevitra narosony, ny nanamafisany fa voahitsakitsaka ny zony araka ny lalàm-panorenana ary tsy misy antony ny fanadihadiana satria imbalo naverina tao anatin'ny roapolo taona ny raharaha noho ny tsy fahampian'ny porofo.

Marino Costa Bauer, Eduardo Yong Motta, Alberto Fujimori ary Alejandro Aguinaga. Sary avy amin'i Salud con Lupa. Fampiasana ara-drariny.
Nandritra ny fitondrana jadon'i Alberto Fujimori, vehivavy maherin'ny 272.000 sy lehilahy 22.000 no nomombaina tany amin'ny faritra be mahantra sady maro vazimba teratany, ho anisan'ny Fandaharam-Pirenena Fahasalamana ara-pananahana sy fandrindram-pianakaviana. Na dia tsy fantatra mazava aza ny isan'ny fandidiana tsy nisy fankatoavana, dia maherin'ny 8.000 ny olona voasoratra anarana ao amin'ny rejisitra ofisialin'ireo noterena ho momba hita ao amin'ny minisiteran'ny Fitsarana sy ny Zon'olombelona. Niharan’ny fanavakavahan’ny fianakaviany sy ny mpiara-belona ireo niharam-boina, ary navela hiaritra fiantraikany ara-batana sy ara-tsaina mianjady amin’izy ireo mandraka ankehitriny.
Tamin'ny Desambra 2021, nandidy ny mpitsara Rafael Martínez ny hanombohan'ny fanadihadiana savaranonando ny filoha teo aloha Alberto Fujimori sy ireo tompon'andraikitra ambony ao amin'ny governemantany, toa an'i Alejandro Aguinaga, minisitry ny fahasalamana teo aloha, Marino Costa Bauer, Eduardo Yong Motta ary ny mpanolotsaina Ulises Jorge Aguilar. Tamin'ity raharaha ity, natolotry ny Biraon'ny Fampanoavana ny porofo voaangona tao anatin'ny 16 taona nanaovana fanadihadiana, nandritra ny roa volana nanatontosana ny fihainoan'ny fitsarana.
Voampanga izy ireo ho tompon'andraikitra tamin'ny fahafatesan'ny vehivavy dimy: Mamérita Mestanza, Alejandra Aguirre, Reynalda Betalleluz, Marpia Espinola, ary Celia Ramos, izay nanana fahasarotana taorian'ny fandidiana tao anaty toe-pahasalamana mahatsiravina ary tsy nisy fanaraha-mason'ny mpiasan'ny fahasalamana natao azy ireo. Ezahina ho tompon'andraikitra amin'ny ratra nahazo an'ireo niharam-boina 1.315 hafa tao anaty tontolon'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ihany koa izy ireo.
Ny raharaha Celia Ramos no maneho tsara ny fomba nanatanterahana ny ankamaroan'ireo fanamombàna ireo: tamin'ny taona 1997, teo amin'ny faha-34 taonany, nanatona tobim-pahasalamana izy hitsabo nify ary hitan'ny dokoterany ho kandidà hofatorana fantson-taovam-pananahana. Noho ny fisisihana sy ny faneriteren'ny mpiasan'ny fahasalamana, izay nitsidika azy tany an-trano tsy nahazoana alalana mihitsy aza, dia nanaiky nodidiana Ramos ary maty noho ny otrikaretina 19 andro taty aoriana.

Niresaka an-taratasy momba ny voka-dratsy ara-batana sy ara-pihetseham-po ireo vehivavy nomombaina tsy araka ny sitrapony, sy ny fanilikilihana sy ny fanavakavahana nihatra tamin-dry zareo. Sary avy amin'i Liz Tasa. Nahazoana alalana.
Nanomboka ity fanadihadiana ara-pitsarana ity telo taona taorian’ny nametrahan’ny Fampanoavana fitoriana heloka bevava tamin’ny taona 2021. Anisan’ny fehin-kevitra ny filazana fa politikam-panjakana mikendry ny hampihenana ny fahantrana ny fanamombàna an-tery. Tamin’ny taona 1991, tamin’ny alalan’ny fanombanana araka ny habetsaky ny mponina, dia nanatsoaka hevitra ny fanjakana fa nisy “fifangarihana teo amin’ny fitomboan’isan'ny mponina sy ny fitomboana ara-toekarena”. Teo amin'ny vehivavy any amin'ny faritra ambanivohitra any anaty ala sy tendrombohitra no tena nanatontosana ny fanaovana azy.
Nandrakitra tamin'ny alalan'ny fijoroana vavolombelona, famoahana an-gazety ary tatitra avy amin'ny andrim-panjakana toy ny Biraon'ny Mpanelanelana ny vahoaka amin'ny fanjakana, ny Minisiteran'ny Fahasalamana ary ny Kongresin'ny Repoblika ihany koa biraon'ny Fampanoavana, fa noteren'ny mpiasan'ny fahasalamana ireo vehivavy kely fidiram-bola hamatotra ny fantson-taovam-pananahany amin'ny famitahana, fandrahonana na ny fampanantenana sandoka hanome sakafo azy ireo.
Araka ny filazan'ny Biraon'ny Fampanoavana, ireo nanatanteraka io fanao io dia ireo dokotera izay, eo amin'ny toeram-pahefana misy azy, nanampy tamin'ny fampiharana ny politikan'ny fanamombàna tao amin'ny vakim-paritra IV an'i Cajamarca, izay nahafatesan'i Mestanza. Na izany aza, nanohy ny asany tsy nisy olana teo amin'ny sehatry ny fahasalamana ry zareo taorian'ny nahafantaran'ny besinimaro ny raharaha.

Alberto Fujimori sy ny zanany: Kenji sy Keiko taorian’ny nialàny ny fonjan’i Barbadillo, izay nigadrany nandritra ny 14 taona. Sary avy amin'i Andina / Vidal Tarqui. Fampiasana ara-drariny. [AN: mahazo alalana ve isika?]
Tamin'io andro io ihany, navotsotra ny fonja ny filoha teo aloha Alberto Fujimori noho ny didim-pitsarana navoakan'ny Fitsarana momba ny Lalàm-panorenana izay nitarika ny famotsoran-keloka azy tamin'ny taona 2017. Nitranga ny famotsorana na dia nangataka tamin'ny fanjakana Peroviana aza ny Fitsarana Iraisan'ny Amerikana Momba ny Zon'olombelona tsy hanao izay fepetra izany, mba hiantohana ny zon'ireo niharam-boina tao La Cantuta sy Barrios Altos hahazo rariny, raharaha nanamelohana azy tamin'ny taona 2009 higadra 25 taona an-tranomaizina.