Tantara mikasika ny Fahasalamàna tamin'ny Avrily, 2021
Mampiharihary ny hantsana eo amin'ny manankarena sy ny mahantra ny savoritaka amin'ny fampanaovana vakisiny COVID-19 ao Kenya
Nahita lalana ny mpandraharaha sy ny mpanao politika tsy tafiditra ao amin'ny sokajin-taona tokony hahazo mba hahazoana vakisiny mialoha kokoa raha ampilaharina kosa ireo zokiolona efa mahantra.
Nandona ny setriny ataon'India amin'ny Covid-19 ny fisavoritahan'ny fotodrafitrasa sy ny tsy fahampian'ny oksizena
Ny tsi-fahampian'ny fandrian'ny hopitaly sy ny fanomezana oksizena miampy ireo famoriana olona amin'ny fifidianam-bahoaka sy ny fetim-pivahvana no tsy nahavitana intsony mamaly amin'ny fielezan'ny aretina.
Amin'ny alalan'ny fahatsiarovana iraisana ihany no azo tontosaina ny fahasalamana ara-tsaina ao Amerika Latina
"Tsy mijanona amin'ny fotoana sy toerana iray tsy akory ny tsiaron'ny tsirairay sy ny tsiaro iraisana, fa mandeha hatrany hatrany ka azo faritana indray sy adika amin'ny fomba iray hafa."
Nipoaka indray i La Soufrière ao St. Vincent tamin'ny tsingerintaona faha-42 fipoahana lehibe farany
mihabetsaka ny ahiahy amin'ny fahasalaman'ny mponina tsy manaiky handao ny fonenany ao amin'ny "Red Zone" [Faritra Mena] sy ny fiainan'ny vorona sy biby mpirenireny hafa
HORONANTSARY/RAKIPEO: Mandrava ny fady amin'ny fanalan-jaza
Tsy nahita ny fandefasana mivantana ny fivoriana Global Voices Insights momba ny zon'ny fanalan-jaza any amin'ny firenena miisa dimy tamin'ny 7 Aprily ve ianao ? Indro ny famerenana.
MIVANTANA amin'ny 7 Aprily: Krizy ara-pahasalamana iray hafa – mandrava ny fady amin'ny fanalan-jaza
Miteraka fahafatesan'olona manodidina ny 30,000 isan-taona ny fanalan-jaza tsy azo antoka. Manasa anao hihaino ireo vehivavy avy any Oganda, Thailandy, Brezila, Pakistan ary Polonina hiresaka momba ny zo ara-pananahana any amin'ny firenena misy azy ireo.