Tantara mikasika ny Fahasalamàna tamin'ny Avrily, 2013
Manao Tolo-dalàna Handrara Ny Fanalanjaza Ny Mpanao Lalàna Okraniana
Tany am-piandohan'ny volana Aprily, parlemantera 3 n'ny antoko mpanohitra "Svoboda" ["Fahafahana"] no nametraka volavolan-dalàna mety handraràna ny fanalan-jaza any Okraina. Tetyana Bohdanova mitatitra ireo fanehoankevitra ao amin'ny aterineto mikasika io tolo-dalàna io.
Fahatezerana Tamin'ny Nanendrena ny Monsanto Ho ao amin'ny Tempolin'ny Laza
Raha vao nanambara ny fikambanana tsy mitady tombom-barotra Acción y Reforma Agrícola (ARA) (Katroka sy Fihavaozana Ara-Pambolena) [es] fa nanendry ny orinasa ara-pambolena Monsanto ao amin'ny Tempolin'ny Laza Ara-Pambolenan'i Puerto Rico [es] dia maro ireo fikambanana any amin'ny vondro-paritra no naneho ny fanoherany marindrano izany.
Mba Ampandroy Ny Filoham-pirenena Ejiptiana!!
Namela fofona i Mohammed Morsi - tao amin'ny Twitter. Nawara Negm, blagera sady mpikatrka mafàna fo dia nametraka ny tenifototra #حموا_الرئيس [ar], izay midika hoe "Mba ampandroy ny Filoha, taorian'ny namakiana tao anaty gazety Libane iray fa hoe nitaraina tao amin'ny minisiteran'ny raharaham-bahiny ny tomponandraikitra alemà sasantsasany mikasika ny fofona avy amin'ny vatan'i Morsi."
Isa-minitra Marary Enina No Voatily Fa Tratry Ny Homa-miadana Any Shina
Efa ofisialy.Ivon'ny olana amin'ny fahasalamam-bahoaka any Shina ny homamiadana. Enina isa-minitra ireo marary voatily fa tratry ny homamiadana, marary 8.550 vaovao tratry ny homamiadana isanandro izany, araka ny fanisana mikasika homamiadana tamin'ny taona 2012
Bhutan Mizotra Ho Any Amin'ny Voajanahary Manontolo
Ny Fanjakan'i Bhutan Himalayan, diso fantatra loatra amin'ilay "Gross National Happiness" , na maridrefin'ny hasambarana, nasolony ny hoe Harin-karena Faobe, dia nametraka ho tanjony ny fanatratrarana ny toeran'ny firenena voalohany eto an-tany mitodika manontolo amin'ny voajanahary.
Miteny Hentitra Ny Vehivavy Tiorka: Vatako, Fanapahan-kevitro
sinjo sahady fa mbola be ny làlana hodiavin-dry zareo sy ny ady ho atrehany mandra-pahatongan'ny hoe azy ireo 100% ny fanapahan-kevitra ny amin'izy hanaovany ny vatany na ny fiainany. Ambaran'i Baran Mavzer amintsika ny antony mahatonga ny adin'ireo vehivavy Tiorka ho mbola henjana, mba hahazoany sy hitehirizany ny zony araka ny lalàna sy ny maha-olona, na dia tsara toerana kokoa aza ry zareo miohatra amin'ireo marobe any amin'ny tontolo Silamo.