
Ireo alika mpampionona sy ny tompony. Sary avy amin'i Dan Ayebare sy i Richard Mugambe, nahazoana alalana.
Ity tantara ity dia navoakan’ny Minority Africa ary Global Voices kosa dia namerina namoaka azy tamin'ny dika nohafohezina ao anatin'ny fifanarahana fiarahamiasa amin'ny fizarana votoaty.
Tamin’ny Jolay 2002, dia noravàn'ireo mpikomy avy ao amin’ny Tafik’i Lord's Resistance Army (LRA) ny tontolon’i Evelyne Anena, novonoina teo anoloany sy ny zanany ny vadiny. Mba hiadiana amin'ny ratram-po mahatsiravina, dia nitady fialofana tao amin'ny Big Fix Uganda i Anena, fikambanana iray any Gulu, avaratr'i Ogandà, izay manam-pahaizana manokana amin'ny fitsaboana sy ny fanarenana ny olona sy ny alika mirenireny.
Asongadin'ny tatitra iray an'ny United Nations Populations Fund (UNFPA) ny fiantraika tsy mifandanja vokatry ny ady zakain'ireo vehivavy sy ny tovovavy, izay misy fiantraikany amin'ny fahasalamany ara-tsaina, fananahana ary amin'ny ankapobeny.
Hoy i Anena raha niresaka tamin'ny Minority Africa: “Efa ho 20 taona izao aho no tsy nahita tory, satria isaky ny manakimpy ny masoko aho, dia mahatsiaro ny famonoana ny vadiko.”
Naka kihon-dàlana nandravarava tanteraka ny fiainan'ilay renim-pianakaviana sy ny zanany efatra taorian'ny andro namoizany ny vadiny, izay polisy sy andry voalohany ho an'ny ankohonana. Nanery ilay ankohonana hitady fialofana tao amin'ny tanànan'i Gulu io famoizana io. Niatrika toe-javatra sarotra i Anena sy ny zanany tao amin'io toerana io. Tsy nanana asa izy, ka lasa fanamby sarotra ho azy ny mamelona ny tenany sy ny zanany.
Rehefa nilamina ny tany dia niverina nody izy ireo tamin’ny 2008. Nilaza anefa ny rafozan’i Anena fa tsy afaka hipetraka ao amin’ny tranony taloha intsony izy, tamin'ny filazàna fa noho ny maha-vehivavy azy dia tsy manana zo hizaka ny tany izy:
“Nokasain-dry zareo havelan miaraka amin'ny zanako aho ary hiverina an-tranon-dray aman-dreniko. Ny ray aman-dreniko sy ny roa tamin'ny mpiray tampo tamiko anefa dia efa novonoin'ireo mpikomy ihany koa, araka izany dia tsy nanana na iza na iza hiantorahana intsony aho.”
Vitan'i Anena sy ny zanany ihany taty afara ny niaro ampahan-tany vitsivitsy, ka nanampy ho an’ny fahaveloman’izy ireo. Mbola nitohy anefa ny olana, ary nalain’ireo fianakaviam-badiny ny ampahan-tany sasany tatỳ aoriana.
Tamin'ny 2021, nanatevin-daharana ny tao amin'ny ny Big Fix Uganda i Anena, mba hitady torohevitra. Nandritra ny fotoam-pivoriana dia nahita namana izy, Peyot, alika iray izay miady amin'ny ratram-pony ihany koa.

Anena ao amin'ny toeram-piompiana miaraka amin'ny alikany, Peyot. Sary avy amin'i Dan Ayebare sy i Richard Mugambe, nahazoana alalana.
“Peyot amin'ny fiteny Acholi dia midika hoe ‘Tsy mora izany.’ Nomeko azy io anarana io noho ny zavatra niainanay roa. Taorian'ny nanombohako ny fanoroana ara-kevitra sy nihaonako tamin'i Peyot dia afaka natory tsara aho tao anatin'ny telo herinandro voalohany,” hoy i Anena, nanopy maso an'i Peyot, izay nanakimpy ny masony sy niala sasatra teo anilany, toy ny hoe manaiky izany.
Francis Oloya, psikôlôgy momba ny fiarahamonina ary mpitantana ny Tetikasa Alika Fampiononana sy ny programa fanabeazana ao amin'ny Big Fix Uganda, no manazava fa ny fitsaboana amin'ny alika no fomba fitsaboana voalohany indrindra ampiasainy amin'ny firotrahana an-tsehatra iarahana amin'ny biby, mba hitsaboana sy hanarenana ny fahasalaman'ny sain'ireo sisampatin'ny dona vokatry ny ady.
‘Taompolo maro no niainanay ny ady teo amin'ny LRA sy ny governemantan'i Ogandà, namela olona an'arivony hiaina fijaliana noho ny vokatry ny ady hatramin'izao,” hoy Oloya.
Ny fandraisan'i Oloya anjara amin'ilay tetikasa dia porofo iray amin'ny traika lalina mety entin'ny alika. Noho ny fahasembanany ara-pahitana, dia nametraka fifandraisana tsara tamin’ny alika roa an’ny mpifanila trano aminy izy.
Hoy i Oloya: “Fantatr'ireo alika avy hatrany aho fa mila fanampiana. Isaky ny miala ny efitrano fatoriana ao an-tsekoly aho mba handeha hianatra, dia tonga ry zareo mitarika ahy, manampy ahy hizotra ny làlako, indrindra rehefa amin'ny alina”, hoy i Oloya, sady nanafosafo moramora an'i Bailey, alika mpampionona azy izy, izay nipetraka teo an-tongony nandinika tamin-tebiteby ny manodidina azy. Manazava izy aty aoriana kely:
“Izany no toe-javatra tsy nahafaha-nanoatra niainako. Nahatsapa aho fa mila olona ho eo anilako, dia tonga ireto alika ireto ary imbetsaka ireo no namonjy ahy. Nahatsiaro ho voaro aho.”
Nandritra ny taom-pianarana tany amin'ny lisea dia nanohy niara-niasa tamin'ny alika i Oloya. Nahavita ny fianarany izy ary niditra tao amin'ny oniversite, izay nahazoany maripahaizana bakalaorea momba ny psikôlôjian'ny fiarahamonina.
Rehefa nahazo ny diplaomany i Oloya dia niverina tany avaratr'i Ogandà, nifanojo ny làlan'izy sy Sarah Smith, filohan'ny Big Fix Uganda.
“Tonga tamin'ny fahatakaranay fa afaka manampy olona ny alika, ary izany no nipoiran'ny Tetikasa Alika Fampiononana,” hoy i Oloya, mpitantana ny Tetikasa Alika Fampiononana.
Mba hahazoana antoka fa hiteraka vokatra mahomby ilay programa, dia mandalo dingana hentitra maromaro ny fampiarahana ireo alika sy ireo namany.
Ireo olona mety hahazo tombony dia tiliana eny anivon'ireo vondrom-piarahamonina amin'ny alalan'ny fiarahana miasa amin'ny mponina sy ny fifampidinihana amin'ireo lehiben'ny vohitra, amin'ny fifantohana amin'ny dona sy ny fikorontanan'ny fahasalamàna ara-tsaina. Avy eo ry zareo dia misedra fanombanana amin'ny fampiasana fitaovana fitiliana ny fahaketrahana toy ny Post-Traumatic Intervention Scale (PRSI) sy ny Beck Depression Inventory (BDI). Ireo fitaovana ireo no manampy amin'ny fanombanana ny hamafin'ny aretina ara-tsaina ary manome fampahalalana manan-danja momba ny filàn'ny tsirairay.
“Alika navotana daholo ihany koa ireo rehetra ampiasaina amin'ilay programa,” hoy i Oloya. “Nanana mpiahy ny ankamaroan’izy ireo taloha; ny sasany nisy niharan'ny dona toy ny lozam-piarakodia sy môtô, ny sasany kosa tratran'ny fandrika metaly ka naratra. Ny sasany tamin'ireo dia nandalo fotoan-tsarotra, naratra mafy noho ny tora-bato nataon'ny olona sasany tsy nanam-pitserana teny anivon'ny vondrom-piarahamonina”, hoy hatrany izy.
Mahazo fitsaboana any amin'ny mpitsabo biby ary atao vaksiny ny alika rehefa voavonjy alohan'ny hanarahany ny fanarenana.
“Ampandalovinay fitsapana toetra izy ireo avy eo mba hijerena raha azo iarahana miaina ilay alika, raha mahay mifanerasera ary afaka miara-miasa amin'olona ihany koa,” hoy i Oloya. “Ny fitsapana ny toetra no manamarina raha mety amin'ny programa ilay alika.”
Satria ao anatin'ny vondrom-piarahamonina ao an-tanàna ny fampiarahana an-dry zareo no atao, misy fanombanana fanampiny ahitàna ny “fitsapana toetra miaraka amin'ny remby” ho an'ny alika, hamaritana raha toa ka manana fironana hanenjika na handratra biby hafa izy ireo, toy ny akoho.
Raha vantany vao nahavita ireo fitsapana ireo ny alika ary heverina fa mety amin'ny fampiarahana, dia manazava ny fahasarotan'ny dingana manaraka i Oloya: “Ny fampiarahana ny alika sy ny mpiambina dia mandalo fanombanana lavidavitra kokoa momba ny maha-mety ny fiarahany, amin'ny fiheverana ny toe-javatra toy ny fitondrantenan'ny alika manodidina ny mety ho mpiahy azy, ny taona sy ny endrik'ilay alika araky ny fifandraisany amin'ilay mpiahy, ny filàn'izy ireo manokana, ary raha manana toetra iraisana izy ireo, toy ny fitiavana milalao.”
Miaraka amin'ny fanahiana kely, dia nampiany hoe: “Manao fisafoana ihany koa izahay mba hanamarinana raha efa vonona handray ny alika ny trano; toy ny hoe misy tranon'alika ao, raha vonona handray ilay vahiny vaovao ny mpianakavy, ary raha azo antoka ho an’ilay alika ny manodidina.”
Ny fitsaboana amin'ny alàlan'ny biby dia miorina amin'ny fifamatorana efa nisy nialoha teo amin'ny olona sy ny biby. Asehon'ireo fandinihana fa ny fifandraisana amin'ny biby fiompy azo iaraha-monina dia afaka manampy amin'ny olana ara-batana sy ara-tsaina isan-karazany
Efa nahavita nampiofana ekipa mpiambina alika manodidina ny 1000 ny Big Fix Uganda hatramin'ny nanombohan'ny fandaharanasa. Amin'izao fotoana izao, misy 82 ny mpikambana mavitrika, ka ny 70 isan-jato dia vehivavy miatrika ny vokatry ny hetsiky ny mpikomin'ny LRA ao amin'ny faritra.

I Evelyne Anena sy i Peyot. Sary avy amin'i Dan Ayebare sy i Richard Mugambe, nahazoana alalana.
Ho an'i Anena, ny fahafatesan'ny vadiny aloha loatra sy ny tsy fahamarinan-toerana taorian'izany no nahatonga ny zanany tsy nahita hirika hahazo fiainana tsara kokoa. Inoany fa ireo toe-javatra ireo no tsy nahavitàny nanome ny zanany ny fanabeazana ilainy mba hanatsarana ny hoaviny sy ny fiainany.
Na izany aza, tsy andriny foana ny Sabotsy, rehefa mifamotoana ny olona sy ireo alika mpampionona hanatrika ny fotoam-piofanana, handray anjara amin'ny hetsika isan-karazany, ao anatin'izany ny fikarakarana bika aman'endrika sy ny fanadiovana ny alika, ny fifehezana ireo fikafikam-pamolahana, ary ny fandraisany anjara isantaona amin'ny lalao isaky ny 4 Oktobra, iarahany amin'ny Peyot ho fankalazana ny Andro eran-tany ho an'ny biby.