Tantara mikasika ny Fahasalamàna tamin'ny Mey, 2016
‘Tsy Tiako Ho Voan'ny Homamiadana Toa Ahy Ny Ankizy, Na Iza Izy Na Iza’, Hoy Ny Mponina Iray Tao Fukushima
Nitafa taminà vehivavy tanora iray voatily ho voan'ny homamiadan'ny tiroida, avy ao amin'ny Prefektioran'i Fukushima, teboka aotra nipoiran'ilay loza nokleary tamin'ny Martsa2011 ny mpamokatra sarimihetsika tsy miankina iray.
Nahatonga Hetsi-Panoherana Ny Krizin'Ny Fahasalamana Tao Medellín, Kolombia
Nifamory teo anoloan'ny hopitaly sy ny tobim-pahasalamana tao an-tanànan'i Medellín Kolombia tamin'ny herinandro lasa teo, tamin'ny 19 May, ireo mpanao fihetsiketsehana niezaka ny hanery ny manampahefana mba hidinika ny lesoka efa nisy hatry ny ela sy manjaka ao amin'ny rafitra ara-pahasalamana eo an-toerana.
Entanina Tsy Hihinana Vary Be Loatra Ny Singaporeana, Satria Mitombo Ny Tahotra Momba Ny Diabeta
Mitera-doza be mety hiteraka diabeta ve ny fihinanana vary fotsy raha oharina amin'ny siramamy? Io no tena fanontaniana iadian'ireo Singaporeana hevitra izao
Nahoana No Tsy Mitsahatra Miresaka Ny Ranomboasary Ireo Mpampiasa Twitter Ao Quito
"Mividiana ranomboasary eo amin'ilay bandikely ery amin'ny kihon-dàlana ery, dia avy eo fanafody ao amin'ny toeram-pivarotam-panafody eo amin'ny manodidina eo, ahodino ny toerakena, faly ny rehetra."
Mbola Tànam-polo Ihany No Anadiovan'Ireo Ambany Saranga Ao India Ny Tain'ny Olona, Na Eo Aza Ny Lalàna Mandràra Izany
Araka ny tatitra iray tamin'ny 2015, maro amin'ireo trano any ambanivohitra ao India no mbola manakarama mpandraoka loto amin'ny tànana, mihevitra fa tsy misy ifandraisany amin'ny fahantràna ilay fomba fanao fa noho ny fanavakavahana iaretana noho ny resaka saranga