· Marsa, 2018

Tantara mikasika ny Fahasalamàna tamin'ny Marsa, 2018

Tsy Mitsahatra Velively Ny Ady Amin'ny Fanamombàna Ao India

  27 Marsa 2018

Tamin'ny taona 2013-14, fanamombàna 4 tapitrisa no natao tany India, ka 100.000 monja no natao tamin'ny lehilahy. Zava-dehibe ny mahatsiaro fa mandany 85% amin'ny teti-bolany amin'ny fandrindrana ny fianakaviana amin'ny fanamombàna i India. Tamin'ny taona 2014, vehivavy 15 no maty tao amin'ny fanjakan'i Chhattisgarh noho ny fanamombàna tandrevaka amin'ny tobim-panjakana.

Oman: Ny Fitandremana Ara-tsakafo, Ny Rakipeo Momba Ny Fampianarana Ambony

  26 Marsa 2018

Niverina teo amin'ny sehatry ny bilaogy ireo bilaogera tany Oman ary nanomboka ny taona vaovao tamin'ny fanapahan-kevitra sy tetikasa goavana. Nanokatra bilaogy vaovao iray hizarana ny fandaharam-potoanany momba ny fitandremana ara-tsakafo amin'ny faratampony ilay bilaogera ATGM, izay ahitana ny fihinana sakafo kely efatra fotsiny isan'andro, sy ny fisotroana rano betsaka.

Japana : Fitomboana Tahanà Famonoantena Be

  09 Marsa 2018

Nandritra iny faran'ny herinandro iny, nitatitra resaka trangana famonoantena maro ny filazambaovao Japone izay misy ifandraisany amin'ny fampiasàna "gaz de sulfure d'hydrogène", tamin'ny fanomezany famaritana amin'ny antsipirihany ny singa ao anatiny sy ny fomba nampiasana azy, hatramin'ny mombamomba ireo niharan-doza ihany koa. Tena nipariaka be sy namendrofendro be ilay fanadihadiana vao nivoaka tsy ela akory izay, hany ka notakian'ny Japan Suicide Prevention Association (Fikambanana Japone Miady Amin'ny Famonoantena) ny mba hitandreman'ireo vondrona filazambaovao misimisy kokoa amin'ny famoahana ireo fanadihadiana ataony