Tantara mikasika ny Fahasalamàna tamin'ny Jolay, 2014
Potehin'ny Polisy ao Bangladesh Ny Voankazo Manga Vokatra Fa Misy Formaldehyde
Raofin'ny polisy sy potehiny ny garaba feno manga satria ambony loatra ny tahan'ny formol, taharon'ny formaldehyde atsifitra amin'ny voankazo mba hahaela kokoa ilay voankazo tsy ho lò.
Ezaky ny Filoha Zambiana Hanaporofona Avy Amin'ny Sary Ao Amin'ny Facebook Fa Hentitra Izy Amin'ny Asa. Tsy Resy Lahatra ny Sasany
Miha-mitombo ny ahiahin'ny olom-pirenena Zambiana momba ireo fitsidihana mangingina nataon'ny Filoha Sata tany ivelany, izay lazain'ny governemanta fa fitsidihana narahan'asa.
Kiobàna Mifofotra Manohana Ny Zon'ireo LGBT
Ny "Andiany faharoa amin'ny Fifanorohana am-pitorevahana ho an'ny Fahasamihafàna sy ny Fitoviana, na "besada" amin'ny fiteny Espaniôla, nahasarika olona maro manohitra ny Lalàna Vaovao Momba ny Asa ao Kiobà, izay manilikilika ny famantarana ny lahy sy vavy ary ny mitondra ny VIH ho toy ny antom-panavakavahana eo amin'ny tontolon'ny asa.
Solidays 2014 : Fanomezam-boninahitra An'i Nelson Mandela Sy Ny Ady Nataony Tamin'ny SIDA
Manome voninahitra ny fahatsiarovana sy ny ady nataon'i Nelson Mendela, izay nanan-janaka lavon'ny SIDA rahateo ilay fetibe Solidays