Tantara mikasika ny Fahasalamàna tamin'ny Jolay, 2010
Filipina : olana rano ao Manille
Saripika avy amin'ny pejy Flickr an'i rickyli99 Miaina olana tsy fahampian'ny rano sedrain'ireo mpampiasa rano an-tapitrisany ankehitriny i Metro Manille, renivohitr'i Filipina. Tezitra amin'ny tsy fahitana rano handroana ny mponina ka namaky ny...
Filipina: Fanavakavahana mihatra amin'ireo Filipiana any amin'ny Tobim-pitsaboan'i Baltimore
Mpiasa Filipana efatra ao amin'ny Bon Secours Baltimore Health System any an-tanànan'i Baltimore no voaroaka tamin'ny asany tsy ela akory izay, noho ny fampiasàna teny Filipiana nandritra ny ora fisakafoanana. Mizara ny heviny momba io olana io ireo mpitoraka blaogy.
Bahrain: Atsaharo amin'izay!
Miaraka amin'ny volana masin'ny Ramadan silamo (volana fifadian-kanina) izay mihamanakaiky haingana dia haingana, ilay mpitoraka blaogy Bahraini Tawfeeq Al Rayash dia manenjika bitro roa. Mifady hanina mandritra ny telo volana...
Philippines: Ny hevitry ny mpitoraka blaogy momba ny fanabeazana mikasika ny firaisana ara-nofo
Eo am-pampiharana ny fandaharam-pianaran'i Etazonia taloha izay naverina indray momba ny fanabeazana ara-pananahana ho an'ny ankizy sy ny tanora, eny amin'ny sekolim-panjakàna, ny Governemanta Filipiana amin'ity taom-pianarana ity na dia naneho fanoherana goavana an'io fandaharam-pianarana io aza ny Fiangonana Katôlika. Nanadihady mikasika izany ny mpitoraka blaogy.
Serbia: Angatahan'ny mpitoraka blaogy ny fametraham-pialàn'ny Minisitry ny Fahasalamana
Nampisafoaka mafy ny vahoaka Serba sy ny fiarahamonin'ny fitorahana blaogy ny tantara ratsy mikasika kolikoly tao amin'ny Oncology Institute ao Belgrade. Danica Radisic manoratra momba ilay fandraisana andraiktra am-blaogy momba ny fametraham-pialàna (Ostavka) - sy ny fiandrandrana ny fialàn'ny Minisitry ny Fahasalamana Serba.
Morocco: Lasibatra ny toeram-pivoahana ho an'ny daholobe
Ilay Maraokana mpitoraka blaogy, Big Brother Maroc [Fr] dia mitatitra ny fanelezana (fanolorana) ny Bitelma [Fr] ( izay adika tsotra amin'ny hoe Toeram-pivoahana), tranonkala iray anasana ny mpitsidika mba handefa...
Maneran-tany: Tsy matoan-dahatsoratry ny fampahalalam-baovao ny fiparitahan'ny solitany
Misarika ny fifantohan-tsain'izao tontolo izao ilay fiparitahan'ny solitany tany amin'ny Elodranon'i Meksika, vokatr'izay fanapotehana noho ny tsy fahaiza-mitantana ny fitrandrahana solitany. Na izany aza, any amin'ireo toerana sasany maneran-tany, miaina miaraka amin'ny fandrarahana poizina toy itony ny olona, ary amin'ny alalan'ny horonantsary no hiezahan'ny vahoaka hisintonana ny sain'izao tontolo izao amin'ny fijalian'izy ireo.