Tantara mikasika ny Fahasalamàna tamin'ny Oktobra, 2013
Rivotra Madio Ho an'i Ginea-Bisao: Firenena Iray Miandrandra Fiadanana
Anatinà firenena mitoka-monina noho ny fanonganam-panjakana, ireo fihenjanana ara-politika ary ireo tsy fahamarinan-toeran'ny toekarena, inona ireo safidy hoavy ho an'ny vahoaka ao Ginea-Bisao?
Nodimandry Ilay Zaza Nipoiran'ny ‘Babylution’ Tao Bosnia
Nodimandry tao amin'ny hopitaly iray tao Alemana i Belmina Ibrišević, zaza vao fito volana monja. Ny tsy nahavitàn'ny famoahan'i Bosnia lalàna manokana mikasika ny Pasipaoro no nahatara ny fitsaboana azy
Tambajotra Fanaraha-Maso Ny Fandotoan-dRivotra Ao Shina: Kely Loatra, Tara Loatra?
Nidina tamin'i Beijing sy ny manodidina azy nandritra ny vakansy ny zavon-tsetroka matevina, ka nanery ny manampahefana Shinoa hamoaka ny rafitra fanaraha-maso ny fandoto [pollution]. Tsy faly ny mpiserasera.
Oktoberfest(Fetin'ny Labiera) Ao Lomé, Togo
Ny volana oktobra mazàna dia fankalazana ny fetin'ny Labiera any Alemana. Ary efa miha lasa fomba fanaon'ny mponina ao Togo tsikelikely koa izany.
Namoaka Valim-pikarohana Ara-tsiansa Ny Saodianina iray Mpitondra Fivavahana Hanehoany Hoe Maninona Ny Vehivavy No Tsy Tokony Hitondra Fiarakodia.
Tokony tsy hitondra fiarakodia ireo vehivavy any Arabia Saodita satria misy fiatraikany ratsy any amin'ny valahany sy ny fihary atodinaina izany hoy ny relijiozy iray. Aza ihomehezana.
Manao Fikotonana Hanoherana Ny Lalàna Hanaramàna Vahiny Mpitsabo Ireo Mpitsabo Ao Panama
Nitondra ny mpitsabo ao an-toerana ho any amin'ny làlan'ny tolona ny Lalàna 611 ao Panama, raha toa kosa ny governamanta manome toky fa tsy hametraka olana amin'ireo mpiasa teratany ny fanafàrana vahiny mpitsabo.