Tantara mikasika ny Fahasalamàna tamin'ny Jona, 2018
Libanona: Tsy nahomby ny alin'ny tsy fifohana sigara
Ny “Ain't No Smoking 2nite” (ny alin'ny tsy fifohana sigara) dia hetsika nokarakarain'ny fikambanana Rotaract, natao tany amin'ireo toeram-pisotroana tao Gemmayze tany Beirota. Ity hetsika ity dia natao ho fanairana momba ny voka-dratsin'ny fifohana sigara sy mba handrisihana ny manampahefana amin'ny fampiroboroboana ny politikan'ny tsy fifohana sigara ao Libanona.
Ejipta: Tafiditra anelanelan'ny gripan-kisa sy ny fanatonan'ny pesta
Tahotra sy fisavorovoroana no namely ny Ejipsiana maro taorian'ny tranga H1N1 voaloahany, na gripan-kisoa hita tao amin'ny firenena. Efa nanomboka tokoa ny tahotra talohan'ny nifindran'ny viriosy, izay nanosika ny governemanta Ejiptiana hanavao ny kisoa.
Kibera : Ireo Vehivavin'ny PowerWomen Manohitra Ny Fitsaràna Ivelany Ny SIDA
Nandritra ny fitsidihan'izy ireo tao Kibera, Nairobia, no nihaonan'ny vondrona kely iray nisy ireo mpikambana avy amin'ny Global Voices, tamina vondrom-behivavy mitondra ny tsimokaretina izay ny asan'izy ireo andavanandro dia nataony mba handresena lahatra hanoherana ny fitsaràna ivelany ny VIH/SIDA sy mba hanentanana mikasika ny fahasalamana ara-pananahana eny amin'ireo mponina tena mahantra. Fitantarana nataon'i Ahmed Awadalla sy Rayna St.
Makedonia: Bilaogin-tsakafo sy loharanom-baovao hafa momba ny Nahandro ao amin'ny tranonkala
Tazana fohy momba ny zava-misy ankehitriny mikasika ny vaovao momba nahandro ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Makedoniana.
Bilaogera Omaniana midina an-tsehatra hiadiana amin'ny gripan-kisoa
Nanomboka ny fanentanan'izy ireo momba ny gripan-kisoa ireo bilaogera Omaniana omaly tamin'ny alalan'ny fandehanana tao Souq Matrah mba hampiely hafatra sy hampianatra ny vahoaka.
Ny fiovan'ny toetrandro aty Afrika: Feo avy any Kenya sy any am-pielezana
Mifantoka amin'ny adihevitra momba ny fifandraisana misy eo amin'ny fiakaran'ny hafanana any amin'ireo toerana izay antonony teo aloha ao Nairobi, sy ny fiverenan'ny tazomoka indray ny bilaogy momba ny tontolo iainana sy politika ao Kenya.
Costa Rica: Marary Iray Mitantara Ny Fiainany Manoloanan'ny Homamiadana
Vao nahafantatra fa tratry ny homamiadana ny bilaogera iray avy ao Costa Rica, dia nanapaka hevitra ny hizara teo amin'ny bilaogy ny tantaran'ny adiny tamin'ilay aretina