
Sary an'ny Connectas. Nampiasaina nahazoana alalana.
Ity lahatsoratra ity dia nosoratan'i José Cardoza sy Javier Bermúdez ho an'ny CONNECTAS ary naverina navoaka indray tao amin'ny Global Voices ny dika nokiraina noho ny fifanarahana fifampizarana votoaty.
Na efa tao anatin'ny folo taona mahery lasa aza no nisotro ronono i Agustín, 71 taona, dia mbola tsy maintsy niverina niasa hatrany mba ho velona. “Vao haingana aho no nandray ity asa ity, ao amin'ny orinasa iray eto New York,” hoy izy teo am-piomanana hiasa alina mandritra ny adiny fito. Famonosana biskoitra ‘cookies’ no asa atao.
Tamin'ny 2023 no tonga tany Etazonia i Agustín. Tsy nanana fisotroan-dronono, na dia efa maherin'ny 60 taona aza, izay manome zo azy handray ny fisotroan-dronono azy araka ny lalàna tao Nikaragoa, firenena nahaterahany. Tamin'ny 2018, izay efa 66 taona, dia tsy maintsy niady ny zony ahahazo fisotroan-dronono izy niaraka tamin'ireo olona an-jatony hafa izay nanohitra ireo fepetra napetraky ny governemanta izay niantraika mafy tamin'ireo beantitra misotro ronono. Niharatsy ny toe-draharaha ka nitarika krizy ara-tsosialy sy ara-politika goavana indrindra tamin'ny tantaran'i Nikaragoà vao haingana.
Niatrika ny famoretana nataon'ny fitondrana i Agustín. Ary, niaraka tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana an'arivony dia nahazo fandresena izy tamin'ireo fepetra natolotry ny governemanta Sandinista. Na izany aza, dia nogadraina sy noroahan'ny fitondran'ny filohan'ny firenena Nikaragoaiànina, Daniel Ortega.
Tahaka ireo maro hafa nanaovana tafatafa mikasika ity lahatsoratra ity dia niangavy izy ny mba hiarovana ny mahakasika azy satria enjehan'ny governemanta any amin'ny fireneny ireo izay mitsikera azy.
Ny 16 Aprily 2018 no nanomboka ny zavatra rehetra, rehefa nankatoavin'ny Fitantanana ny Fiarovana ara-tsosialy Nikaragoaiàna (INSS), sampan-draharaha miandraikitra ny fisotroan-dronono sy ny latsakemboka ho an'ny fisotroan-dronono, ny fanavaozana Lalàna mikasika ny Fiahiana Ara-tsosialy izay navoaka roa andro taty aoriana tao anaty Gazety Ôfisialy.
Anisan'ireo fepetra noraisina ny finiavana hanàla dimy isan-jato amin'ny fisotroan-dronono sy ny fanovàna ny raikipohy fampiasa hikajiana ny fisotroan-dronono vaovao. Nitarika fihetsiketsehana goavambe tao an-tanànan'i Managua sy Leon ireo fihetsika ireo. Nihanaka manerana ny firenena manontolo izany taorian'izay. Niteraka fahafatesana olona 355 ny valy bontana feno famoretana nataon'ny Fanjakana, araka ny voalazan'ny Interamerican Commission for Human Rights (IAHR) -Vaomiera Iraisan'ireo ao Amerika momba ny Zon'Olombelona.
Vakio bebe kokoa : Noely, fotoana hanaovana fanentanana hanafahana an'ireo gadra politika ao Nikaragoa [Ang.].
Tsy dia miraharaha loatra ny fahanteran'ireo mpanao fihetsiketsehana ny fitondrana Sandinista raha ny mahakasika ny fanagadrana azy ireny, ka nitarika ny ampolony tamin'izy ireny niafara tany amin'ny fonjan'i Nikaragoa ho toy ny gadra politika.

Nipoaka ny hetsi-panoherana taorian'ny fanavaozana ny fiahiana ara-tsosialy 2018, ary tao an-tanànan'i León, Nikaragoa dia nanafika an'ireo zokiolona nanao fihetsiketsehana ny mpanaraka ny antoko eo amin'ny fitondrana. Sary : Primer Orden, nampiasaina nahazoana alalana.
Noho ireo hetsi-panoherana dia nisintona sy nanafoana ilay fanavaozana tamin'ny 2018 ny fitondrana. Na izany aza, tamin'ny Janoary 2019, rehefa vitan'ny fitondrana ny namoritra ny hetsi-panoherana sy nanamafy ny famoretana, dia nampidirin'izy ireo maika ny fanavaozana ny fiahiana ara-tsosialy izay nidika ho vesatra lehibe ho an'ireo orinasa tsy miankina sy ny saranan'ireo mpiasa madinika.
Ho an'ireo mpisotro ronono dia misy ampahana fepetra fanampiny ampiharina izay, amin'ny lafiny iray, tsy tao anatin'ny tolo-kevitra fanavaozana teo aloha. Noho io antony io, ireo olona izay misotro ronono taorian'ny taona 2019 dia mandray latsaka 30% amin'izay raisin'ireo nisotro ronono tamin'ny taona talohan'io.
Fampihenana ny tombontsoa
Taorian'ny tolona ho an'ny toe-piainana tsara kokoa tamin'ny 2018, “dia mbola nihena ny resaka fikarakaràna ho an'ireo mpisotro ronono”, hoy Angela mitaraina. Dimy taona taty aorian'ilay fipoahana ara-tsosialy, heveriny ho mbola ratsy kokoa noho ny teo aloha ny trangan-javatra misy azy satria tsy afaka niasa izy ary tsy ampy hanefàny ny lany amin'ny fivelomany ny fisotroan-dronony. Nitarika krizy politika sy sosialy tao Nikaragoa ny fifandirana manodidina ny fisotroan-dronono.
Nandidy ny fanakatonana an’ireo fikambanana fiarahamonim-pirenena an-tapitrisany ihany koa ny fitondrana. Raha tsy misy fikarakaràna ara-pahasalamàna tsara kalitao, dia miha-ratsy be ny toe-javatra iainan'ireo zokiolona, hoy ny fanazavan'i Leonel Argüello, mpitsabo manampahaizana manokana mikasika ny areti-mifindra ary miasa ao amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamana ao Nikaragoa. Ho azy, “tsy hoe fanajana fotsiny ny vahoaka ny fikarakaràna ara-pahasalamàna tsara kalitao fa ihany koa zava-takiana eo amin'ny lafiny zon'olombelona, no sady andraikitry ny Fanjakana koa”.

Dr Leonel Arguello, manam-pahazaina manokana amin'ny areti-mifindra. Sary : Oscar Navarrete. Nampiasaina nahazoana alàlana.
Nanomboka tamin'ny 2019, ireo be antitra 119 276 izay nandray fisotroan-dronono feno avy tamin'ny INSS dia nahatsapa fihenana lehibe sy tsikelikely tamin'ny tombontsoany, tahaka ny fanafody sy fanitsiana ny fisotroan-dronono ary ireo kojakoja fanampiny toy ny seza misy kodiarana ary ny tehina.

Hatramin'ny 2018, taona izay nipoahan'ny krizy tany Nikaragoa dia nihena be ny fizaràna ireo solon-taova, seza misy kodiarana, tehina ary ireo kojakoja fandrenesana, ankoatra ireo hafa, avy amin'ny INSS. Sary : CONNECTAS. Loharano: INSS Statistical Yearbooks. Narafitra niaraka tamin'ny Datawrapper. Nampiasaina nahazoana alalana.
Ireo izay mila fitaovana fanampiny tahaka ny fiarovana, ny seza misy kodiarana, ny solon-tongotra, ny tehina, ny fitaovana fandrenesana ary ny haraton'aina ihany koa dia miaina toedraharaha saropady satria lany ny kojakoja tao amin'ny INSS nanomboka ny taona 2016. Ny Profesora Sandra ihany koa dia anisany tamin'ireo olona fito arivo mahery nahazo ny fisotroan-drononony tao amin'ny INSS tamin'ny taona 2020 ary, noho ny fanavaozana tamin'ny taona 2019, dia nahazo fisotroan-dronono tena nihena be. Tamin'ny Jolay 2022 izy no nisotro ronono, telo taona taorian'ilay fanavaozana tamin'ny 2019, ary nanamafy fa tena samihafa be mihitsy amin'izay raisin'ny rainy ny fisotroan-drononony, na dia amin'ny taha feno aza.

Fisondrotan'ny fisotroan-dronono isam-bolana alahatra araky ny taona. Hatramin'ny nipoahan'ny krizy ara-tsosialy sy ara-politika dia nihena hatrany hatrany ny fanitsiana ny fisotroan-dronono. Isan-taona, zara raha misy ny vola anampiana ny fisotroan-dronono. Antontanm-bola refesina amin'ny “cordobas” sy poara. Tamin'ny 2021 no navoaka farany ny Anuario . Sary : CONNECTAS. Loharano: INSS Statistical Yearbooks. Narafitra niaraka tamin'ny Datawrapper. Nampiasaina nahazoana alalana.
Hoavy mbola ho ratsy kokoa
Ahitàna faharefoana hafa koa ny rafitry ny asa ao Nikaragoa : Ny elanelana misy eo amin'ny lehilahy sy vehivavy eo amin'ny haavon'ny asa sy ny karama. Hatramin'ny taona 2021, ny isan'ny ny vehivavy no betsaka kokoa tamin'ireo zokiolona (54,02%) raha oharina amin'ny lehilahy (45,98%), na izany aza, mifanohitra amin'izay no mitranga eo amin'ny habetsaky ny vola fisotroan-dronono raisina. Tamin'ny 2021, taona farany namoahana ny bokin'ny fanisàna isantaona avy amin'ny INSS dia lehilahy avokoa ny 58,58 isanjaton'ireo mpisotro ronono (mandray fisotroan-dronono nahena sy fisotroan-dronono feno).
Manazava i María Teresa Blandón, mpandalina ny fiaraha-monina, fa mampiseho ny olana ara-drafitra eo amin'ny rafitra ara-tsosialy sy ara-toekarena ao Nikaragoa io elanelana io. Araka ny fanadihadiana nataony, “midika io fa maro an'isa kokoa ny lehilahy amin'ny asa andraisan-tambiny ary ny vehivavy kosa any amin'ny asa tsy misy tambiny”.
Fa ny tena olana lehibe indrindra ao amin'ilay firenena dia ny 67,43% amin'ny zokiolona no tsy manana fisotroan-dronono akory, araka ny voalazan'ny angona avy amin'ny National Institute of Development Information (INIDE) sy ny INSS tamin'ny 2021, izay angona voarakitra an-tsoratra farany. Hatramin'ity taona ity, tsy misy afatsy ny 32,57% amin'ny mponina maherin'ny 60 taona ihany no mahazo fisotroan-dronono.

Amin'ny taona 2024, mbola ho ratsy hatrany ny toedraharaha ho an'ireo mpisotro ronono ao Nikaragoà, satria hiatrika ny fampihenana goavana aorian'ny fanitsiana isan-taona ny fisotroan-drononony izy ireo. Sary : Primer Orden. Nampiasaina nahazoana alalana.
Ambonin'izay, tamin'ireo zokiolona 570 864 voasoratra anarana tamin'ity taona ity, ny 20,89 isanjatony ihany no nandray fisotroan-dronono feno, ka afaka nahazo ny tolotra ara-pahasalamana sy ireo fitaovana fanampiny tahaka ny tehina, ny haraton'aina sy ny soson-kilaoty, ankoatra ireo hafa. Ireo mpandray fisotroan-dronono nahena, izay manome ny 35,84 isanjato amin'ireo mpisotro rononosy ny 11,67 isanjaton'ny zokiolona, no tsy nahazo ireny fitaovana fanampiny ireny na ny fitsaboana avy amin'ny INSS ary tsy maintsy mandalo ny rafitra ara-pahasalamana tantanin'ny Minisiteran'ny Fahasalamana.
Vakio misimisy kokoa: Undertones in Nicaragua: Where parallel realities coexist [Ang.]
Noho ity zava-misy sarotra ity dia voatery nandao ny firenena ireo olon-dehibe miha-antitra marobe tao Nikaragoa, ary azo vinaniana fa maro kokoa no hanao izany mba hiarovany ny fahamendrehany, hanohy ny fiainany ary hiasa, na dia efa tonga anatin'ny taonan'ny fisotroan-dronono aza.
“Tsy kivy izahay fa manantena hiverina any an-tanindrazanay. Marina fa nalàn'izy ireo ny zom-pirenenay, saingy tsy manakana anay tsy ho Nikaragoaiàna izany”, hoy Agustín namboraka.