· Novambra, 2018

Tantara mikasika ny Fahasalamàna tamin'ny Novambra, 2018

Miatrika olana ara-tontolo iainana ny reniranon'i Litani ao Libanona, renirano lehibe indrindra ao amin'ny firenena

Nampiseho ny fikarohan'ny Oniversite Amerikanina ao Beirota fa ny rano nalaina tao Litani nandritra ireo volana fahavaratra maina kokoa dia rano maloto avokoa. Hita fa feno singa-metaly mivangongo be ireo legioma voatondraka tamin'ny rano maloton'ny renirano, izay mety hisy fiantraikany amin'ny hoza-doha ary manakorontana ny fiasan'ny fo sy ny voa.

Ghana: Ny tetikasa fandidiana hoditra

  07 Novambra 2018

(Marihina fa tamin'ny volana Martsa 2006 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nanamarika tetikasa iray antsoina hoe “Ny Tetikasa Fandidiana Hoditra ao Ghana ” ny My Hearts in Accra. “Ny foibe ao Korle-Bu no foibe voalohany fandidiana hoditra sy famerenana amin'ny laoniny indray ny hoditra any Afrika Andrefana ary manampy ny...

Ghana: Fikarakarana Ara-pitsaboana

  07 Novambra 2018

(Marihina fa tamin'ny volana May 2006 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Niady hevitra momba ny fikarakarana ny fahasalamam-bahoaka avy amin'ny fanjakana sy ny fitsaboana any amin'ny tsy miankina any Ghana ny Trials and Tribulations of a Freshyly Arrrive Denizen . .. Olona maro, anisan'izany ny tenako no nankasitraka ny ezaka atao...

Trinidad sy Tobago: Ny Fahasalaman'ny Praiminisitra

  06 Novambra 2018

Taitra ireo vahoaka ao Trinidad sy Tobago omaly noho ny filazambaovao mikasika ny homamiadan'ny voa mahazo ny Praiminisitra Patrick Maning. Raha toa ka vitsy ireo blaogera no naneho hevitra ampahibemaso, tao anatin'ireo karajia manokana toy ny an'ny Facebook, nirehidrehitra ireo adihevitra mikasika ny vokatry ny toe-pahasalaman'i Manning.