Tantara mikasika ny Fahasalamàna tamin'ny Avrily, 2020
Fanamarihana avy ao Kazakstana: Voromailala, famonoana otrikaretina ary COVID-19
Tranga fanararaotan'ny fanjakana hanehona ny heriny ny COVID-19, kanefa mampibaribary ny fahalemeny ihany koa.
Ao Meksika, fandaharanasa fanavotana tsy ampy hampihibohana ireo 30 tapitrisa miasa amin'ny sehatra ivelan'ny rafitra
"Raha tsy mivarotra aho, tsy mihinana. Tsotra kely izany."
Mahazo tohana avy amin'ny Fiangonana Ortôdôksa Rosiana ireo vondrona manohitra ny vaksiny any Balkana
Arovan'ny Fiangonana Ortodoksa Rosiana ny zon'ireo Ray aman-Dreny hisafidy ny tsy hanao vaksiny ny zanany.
COVID-19 hitondra zavadoza any amin'ireo fonja hipoka ao Brezila, efa nisy iray maty
Olona 750.000 no mihiboka any am-ponja ao amin'ilay firenena. Izy no fahatelo erantany manana olona betsaka indrindra any am-ponja, manaraka an'i Etazonia sy Shina.
Ao Kolombia, mitombo ireo hetsika fiaraha-mientana mandritra ny valanaretina maneran-tany COVID-19
Saika ny antsasaky ny mponina ao Kolombia dia miankina amin'ny asa tsy ara-dalàna avokoa.
Hisy fiantraikany amin'ny zo hanala zaza ny fihibohana any Kolombia, hoy ny mpisolovavan'ny zon'olombelona
"Tokony ahitana ireo servisy ahafahana manohy sy manome antoka ny fikarakarana ara-pahasalamana amin'ny fananahana sy ny fiterahana ireo antony manokana ireo," hoy i Selene Soto.
Nahafaty olona ny COVID-19 tany Afghanistan
Efa misy ny trangana COVID-19 any Afghanistan, ary efa misy ny matiny.
Nanome tolotra aterineto mora ny orinasan'ny finday ao Mozambika sy Cap Vert mba hanentanana ny olona hijanona ao an-trano
Afaka hampiasa angondrakitra 2 MB maimaimpoana mandritra ny 30 andro manaraka ireo mpiseran'ny finday Cap Verdeana raha afaka mividy hatramin'ny 5 GB amin'ny sarany 1.50 dolara kosa ny Mozambikana.
Nilaza ny kintan'ny hazakazaka Kenyana Eliud Kipchoge fa ‘manafintohina saingy mendri-piderana’ ny fanemorana lalao olaimpika 2020
Nanantena ilay "superstar" Olaimpika Eliud Kipchoge fa efa niandry fatratra ny hifaninana amin'ny Lalao Olaimpika 2020 ao Tokyo izy. Saingy misy dikany aminy ny fanemorana. "Miaina ao anatin'ny tontolon'ny fanjavozavoana isika," hoy ny nolazainy.
Loza ho an'ny toekarena shinoa ihany koa ny Wuhan coronavirus
Rehefa mifanontona ny valanaretina sy ny fandaniam-be mahazatra amin'ny fankalazana ny taombaovao Shinoa, dia marary mafy ihany koa ny toekaren'ny firenena.