Tantara mikasika ny Fahasalamàna tamin'ny Jona, 2020
India : Sakafo Indiàna tsara voatra atolotr'ireo sefo ao amin'ny Youtube
Noho ny fizaràna ny fomba fahandrony amin'ny fomba hita maso sy atao antsipirihany, mitombo be ao amin'ny Youtube ny lazan'ireo sefo indiàna mpahandro ao India sy any an-toerana hafa.
Ireo tetikasa mitondra zavabaovao ho amin'ny « andavanandro vaovao » ao Ekoatora
Hackathon iray natao tao Ekoatora hitsirihana ireo famoronana ho an'ny fiainana aorian'ny COVID-19. Ireto no tetikasa nisongadina avy tamin'izany.
Mamorona fitaovana anti-viriosy vita an-toerana i Mozambika
Notoroan'ny governemanta ny vahoaka hanamboatra maska vita ao an-toerana amin'ny fampiasana capulanas – fitafy nentim-paharazana Mozambikana anaovan'ny vehivavy amin'ny ankapobeny – sy ireo fitaovana hafa efa mety ho vonona avy hatrany.
Fiainana eny amin'ny torapasika: Ny nanovàn'ny COVID-19 ny fizahantany ao amorontsirak'i Albania
Heverin'ny ministera misahana ny fizahantany fa mbola azo avotana ny taompiasana. Somary ho hafa kely aloha ny tsirony.
Fihibohana henjana ho an'ny faran'ny herinandro tao Azerbaidjana, taorian'ny fitomboan'ny tranga COVID-19
Arakaraky ny fivoaran'ny valanaretina COVID-19 ao amin'ny firenena ato anatin'ny andro hoavy, mbola azo sainina ny hisian'ny faran'ny herinandro hafa hanaovana fihibohana.
Setrin'ny fanentanana mandrisika ny mponin'i Wuhan mba haneho fankasitrahana ny lehiben'ny Antoko Komonista amin'ny ady amin'ny COVID-19
Tsy manana hery hitomaniana akory izy ireo kanefa misy olona miteny azy ireo ankehitriny mba hianatra mahay misaotra. Manohitra ny maha olona izany.
Miara-mandeha lavitra: Manao dingana hiatrehana ny COVID-19 any amin'ny tany niaviany eo diaspora avy ao Afrika Atsinanana
Hiatrehana ny tsy fahampian'ny torohay / vaovao momba ny COVID-19 sy ny tsy fahampian'ny EPI, nandray andraikitra hanampy ny firenena niaviany ireo mpikambana anatin'ny diaspora any Etazonia.
Ny fiakaran-danjan'ny artemisia any Kamerona ao anatin'ny ady amin'ny COVID-19
Raha mitohy ny fitombon'ny trangana coronavirus tany Kamerona dia maro tamin'ireo mino ny fanasitranan'ny ravinkazo ao an-toerana no nitodika tany amin'ny zavamaniry mahery artemisia rehefa nikasa ny hanokatra indray ny toekaren'ny firenena ny governemanta.
Mpampihanaka COVID-19 malaky sy ny “andavanandro vaovao” indoneziana
Fihaonana ara-pivavahana iray tamin'ny volana marsa no ahiana ho niteraka ny fianahan'ny viriosy tany amin'ny faritany miisa 22, hoy ny manampahefana ara-pahasalamana.
Ho an'ireo mainty sy indizeny ao Amerika Afovoany, Misy Vidiny Ny ain'ny Mainty (Black Lives Matter)
"Fanavakavahana, rafitra mpanjakazaka sy mpamono, izany no namidin-dry zareo manerana ny tany lazainy ho toerana mendrika honenana indrindra eto an-tany.."