Tantara mikasika ny Fahasalamàna tamin'ny Mey, 2020
Mifanohitra amin'ny siansa ny finoan'ity mpanjaka ity ny raokandro ho fanefitry ny COVID-19
Mihevitra ity mpanjaka Nizeriana ity fa afaka manasitrana COVID-19 ny raokandro. Saingy mety mamitaka sy mampidi-doza vahoaka ny fanaovana filazana tsy voaporofo amin'ny alalan'ny Twitter ahitana mpanjohy an'aliny.
Ny COVID-19 iadian'i Pakistan, ny andiam-balala mandravarava ny fambolena
Efa nandravarava ny faritra maro amin'i Afrika, ny saikanosy Arabo ary Azia Atsimo ny loza ateraky ny valala.
Diarin'ny COVID-19 avy ao Wuhan : « Vita ihany ny mivelona amin'ilay valanaretina, fa tsy telina ny fanilikilihana, ny tahotra ary ny fankahalàna. »
Ho takalon'ny fahafahany mivezivezy rehefa vita ny fihibohana dia tsy maintsy mataon'ny olona ny tatitra momba azy ireo amin'ireo solotena isam-bohitra sy amin'ireo manampahefana ara-pahasalamàna.
« Rehefa maty, dia maty» : ny COVID-19 sy ny fanokafana indray ny toekarena ao Jamaika
Miaraka amin'ny fialàna amin'ny fihibohana, hiverina amin'ny andavanandro ny toedraharaha. Tsy mino aho hoe ho « andavanandro vaovao » io, fa dia andavanandro fotsiny
Noravan'ny ny polisy tamin-kerisetra ny fihetsiketsehana nataon'ny mpiasan'ny fahasalamana tany Balochistan, Pakistan
Nanao fihetsiketsehana tany amin'ny faritany Balochistan any Pakistan ny mpitsabo matihanina mba hanomezana azy ireo ny Fitaovana Fiarovana Manokana (PPE) mba hiarovana azy ireo amin'ny fifindran'ny coronavirus avy amin'ireo marary kanefa nosamborina ry zareo.
Amin'ny tratran'ny COVID-19 efa ho 20.000 ao Balkans, ampahatelony mihoatra no ao Serbia
Tsy niraharaha ity areti-mandringana ity i Serbia tamin'ny voalohany ary nananihany aza
Manandratra ny firaisankina ao anatin'izao krizin'ny COVID-19 izao ny hiran-tahaka nalaza tamin'ny Eurovision avy ao Moldavia
Nampitondraina ny lohateny hoe "Mom, stay home," [mama, mitoera an-trano] ny hiran-tahaka hanentanana ny olom-pirenena hanaraka ny fandrisihan'ny Fikambanana Manerantany misahana ny Fahasalamana (WHO-OMS) sady mandefa onja tsara ho an'ireo zokiolona, izay marefo indrindra amin'ity aretina ity.