Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Mey, 2017

Tantara mikasika ny Fahasalamàna tamin'ny Mey, 2017

29 Mey 2017

Arabia Saodita: Mihidy Ho An'ireo Vehivavy Mpihazakazaka Ireo Làlana

Vao haingana izay, noraràna ny fidiran'ireo vehivavy mpihazakazaka ny làlana iray any amin'ny Faritanin'i Asir (Arabia Saodita), satria heverin'ny Vaomieran'ny Fampiroboroboana ny Fahamaotinana sy ny Fisorohana ny Havetavetana ho mampidi-doza. Manopy maso ny sasantsasany amin'ireo tsikeran'ny mpitoraka blaogy mikasika ity raharaha ity i Katharine Ganly.

27 Mey 2017

Polonina: Ampitsikio ny Ankizy! – Mora ny Manao Izany!

Mpilatsaka an-tsitrapo mavitrika hatrany i Tomek sy Weronika na dia mbola tanora tokoa aza izy ireo. Tamin'ny taona 2009, nanomboka ny Dream Mail izy ireo, fanentanana asa fanasoavana izay mampiroborobo ny fanoratana taratasy sy ny karatra paostaly ho an'ireo ankizy marary mafy.

23 Mey 2017

Lahatsary Mampiseho Ny Fiantraikan'ny Fahafatesana Eo Am-piterahana Eo Amin'ny Fiarahamonina

Resadresaka Hanatsarana ny Tany

Rehefa mamoy ny ainy mandritra ny fitondrana vohoka, ny fiterahana na noho ny fahasarotana taorian'ny fiterahana ny vehivavy, dia tsy vitan'ny hoe misy fiantraikany eo amin'ny fianakaviana ihany izany fa koa ny fiarahamonina manontolo

Ejipta: Gaza No Lohateny Vaventy

Entin'i Eman Abd Al Rahman ho antsika ireo lohateny vaventy avy amin'ny tontolon'ny bilaogy Ejiptiana milaza ny fahorian'ireo Palestiniana tao Gaza tamin'ny Janoary 2008. Andro efatra nanaovana fahirano nampilentika an'i Gaza ho anaty haizina, niteraka antso iraisampirenena sy hatezerana teny amin'ny arabe Arabo ho fampitsaharana ny fandripahana.

22 Mey 2017

Satria Efa Akaiky Ny Fifidianana Izay Ho Tale Jeneralin'ny OMS, Voampanga Tamin'ny Resaka Kolerà ny Kandidàn'i Ethiopia

Hifidy izay ho tale-jeneraly amin'ny 23 Mey 2017 ireo minisitry ny fahasalamana ao amin'ireo firenena mpikambana ao amin'ny OMS (Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Fahasalamana).

Miady Mafy Ety Anaty Serasera Ilay Kandidà Hirotsaka Ho Mpitantana ny Fikambanana Iraisampirenena Misahana ny Fahasalamana, Nefa Mandà Ny Fisian'ny Kolerà Ao Etiopia

"Atahorako ny lazan'ny OMS ho voapentina ary ny fitokisana azy hanjary hametrahana fanontaniana raha toa ka i Dr Tedros Adhanom no fidiany."

Fiarahamonina ho an'ireo Mitondra Otrikaretina SIDA

Resadresaka Hanatsarana ny Tany

Nampangain'ireo vondrona isankarazany mpiaro zon'olombelona ny governemanta Kambodziana ho nametraka tsy araka ny sitrapony fiarahamonina iray ho an'ireo mitondra otrikaretina SIDA rehefa nametraka fianakaviana 40 miaina miaraka amin'ny otrikaretina VIH sy SIDA ho any amin'ny vohitra iray 25 kilaometatra miala ny tanànan'i Phnom Penh

16 Mey 2017

“Resy Lahatra” ny Parlemanta ao Iràka Hoe Tsy Misy Kolikoly Ao Amin'ny Ministeran'ny Fahasalamàna. Fa Toy Izany Koa Ve ny Vahoaka Irakiàna?

"Ny fahafahampon'ny parlemanta tamin'ireo valinteny naroson'i Adilah Hamoud dia midika fa fiahiana ara-pahasalamana zara fa misy no mendrika ho an'ny vahoaka avy aminà ministera mpanao kolikoly."

04 Mey 2017

Ivontoerana Rosiana Fanohanana Ara-tsaina, Namingavinga sy Nandroaka Pelaka Niantso ny Laharany

Akon'ny RuNet

Tandremo rehefa miantso ny laharan'ny “FROG,” ivontoerana iray fanohanana ara-tsaina ao St. Petersburg; mety mila fanohanana bebe kokoa noho izay nilainao talohan'ny nandraisanao ny telefaona ianao aorian'ny antso ataonao.