Tantara mikasika ny Fahasalamàna tamin'ny Febroary, 2017
Fanadihadiana iray Miresaka Ny Fiainan'ireo Adolantsento efa Reny ao Bolgaria
"Mazàna, tsy omena fahafahana mihitsy ry zareo mba hisafidy izay fiainany ary tavela ao anaty faribolana vetavetan'ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra, ny tsy fananana asa ary ny fahantràna."
Tsy Mahasakana Ahy Tsy Ho Miozolomana Dokotera Ny Sisintany Sy Ny Fandrarana
Manome dokotera maro ho an'ny rafitra ara-pahasalamana any Etazonia i Pakistan sy ireo firenena manana Miozolomana maro an'isa maro hafa. Manahy i Jalal Baig fa hisy fiantraikany amin'ireo dokotera vahiny izay mandray anjara ho amin'izany ny famerana ny fifindra-monina .
Efa Ho Roa Volana Izao No Nitokona Ny Dokotera Ao Kenya
"51 andro izay! Ahoana no nahatonga anay hahatratra izany? Mendrika sy mitaky ny hahazo rafi-pitsaboana tsara kokoa isika! Izay ihany!"
Mananontanona Ilay Hopitaly Fitsaboana Homamiadana Tsara Indrindra Any Maosko Ny Fisintahan'ny Fanjakana
Hikatona miaraka amin'ireo fanakianana mampitebiteby noho ny hetsika goavana mankany amin'ny fisintahan'ny fanjakana Rosiana amin'ny rafitry ny fisahanana ny ara-pahasalamana ny Hopitaly No62 any Maosko.