Tantara mikasika ny Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT) tamin'ny Mey, 2017
Tontolo Arabo: Ratsy Dikateny Ilay Boky Momba Ireo Arabo Pelaka
Vao nivoaka dia efa nisedra olana ilay boky pelaka voalohany indrindra voadika amin'ny teny Arabo taorian'ny namoahana azy mialoha tamin'ny teny Anglisy. Mitatitra ireo fanehoankevitry ny mpitoraka bilaogy momba ilay boky Gay Travels in the Muslim World i Katharine Ganly, ny dikateniny izay niteraka adihevitra mafana.
Nanangana Bilaogy Ho Fahatsiarovana Ireo Mpikatroka Pelaka Namoy ny Ainy Ny Vondrom-piarahamonina LGBT ao Bangladesh
Ahoana no ahafahako miaina eto amin'ity firenena ity, ka raha maty misy mamono aho, dia hisy ny hifaly fa nihena ny olona LGBT? Karazana tanindrazana inona ity, izay tsy misy toerana ho ahy?
Milaza Ireo Mpikatroka Fa Mampiely Tahotra Sy Fankahalana Ny Olona Pelaka Ny Haino Aman-jery ao Azerbaijan
"Indraindray manadino ny herin'izy ireo ny mpanao gazety, ary mamitaka ny olona amin'ny fomban'izy ireo tsy matihanina."
Ny Làlana Lavabe sy Miolikolika Nizoran'ny Lalàna Momba ny Maha-Lahy sy Vavy ao Shily
Taona efatra taorian'ny dingana tao amin'ny parlemantera, natolotra ny antenimieran-doholona ny "Ley de Identidad de Género (LIG), Lalànan'ny Miralenta, izay ikendrena ny hampitsaharana ireo toejavatra isian'ny fanavakavahana sy fanilihana manjo ireo "Trans", na olona mandà ny sokajy niterahana azy, ao Shily.
Vehivavy Ekoatoriana iray Mpakasary, Miampanga Ny Fanararaotana Ataon'ireo “Klinika Mpitsabo ny Aretina Pelaka”
"Taona efatra lasa izao no nandrenesako voalohany ny momba ireny "klinika" ireny izay miteny fa mitsabo ny aretina pelaka eto Ekoatora. Voalohany indrindra dia noheveriko fa mety ho izaho ny iray amin'ireny vehivavy tazonina [any amin'ny iray amin'ireny ivontoerana] ireny"
Ivontoerana Rosiana Fanohanana Ara-tsaina, Namingavinga sy Nandroaka Pelaka Niantso ny Laharany
Tandremo rehefa miantso ny laharan'ny “FROG,” ivontoerana iray fanohanana ara-tsaina ao St. Petersburg; mety mila fanohanana bebe kokoa noho izay nilainao talohan'ny nandraisanao ny telefaona ianao aorian'ny antso ataonao.