Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Oktobra, 2018

Tantara mikasika ny Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT) tamin'ny Oktobra, 2018

30 Oktobra 2018

Rosia: Ireo Mpifidy Tsy Legioma ary Vaovao Hafa Mikasika Ny Fifidianana

Roa herinandroa sisa mialoha ny fifidianana Rosiana Duma; ary tsy dia lavitra ihany koa ny fifidianana ny ho filoham-pirenena. Hitanao etsy ambany ny topimaso maimaika iray amin'ny fandrakofana ny fifidianana avy amin'ny tontolon'ny blaogy.

India : Didim-Pitsaràna Iray Manafoana Ny Fanamelohana Ny Fiarahan'ny Mitovy Fananahana

Fanavakavahana ny fiheverana fa heloka bevava ny firaisana ara-nofo ifanarahan'ny mitovy fananahana, hoy ny didy navoakan'ny fitsarana avon'i Delhi, ka noho izany dia fanitsakitsahana ny zo fototra arovan'ny lalàm-panorenana any India.

17 Oktobra 2018

Fanentanana momba ny SIDA amin'ny alàlan'ny lahatsary

Aretina mandripaka maneran-tany izay namotika ny fiainan'ny lehilahy, vehivavy ary zaza maro nandritra ny 20 taona mahery ny VIH/SIDA. Anndroany, mitondra lahatsary ho anao izahay, izay miresaka momba ny VIH/SIDA amin'ny endriny maro samihafa: ahoana no hiainana izany, hiarovana ny tenanao tsy ho tratrany ary ahoana no hanentanana momba izany....

15 Oktobra 2018

Sodàna: Ny Tafika ONU-UA Ao Darfour, Sekolin-jaza Madinika Iray Tena Lafo, Ny Fiverenan'ireo Bibidia Ao Sodàna Atsimo Sy Ireo Fanehoankevitra Mikasika Ny Blaogera Sodaney Pelaka Iray

Fotoana fohy izay lasa hatramin'ny nitetezako farany ny tontolombolongana sodaney nefa mbola inty ihany aho, miaraka aminà lohahevitra isankarazany, anisan'izany ireo fanehoankevitra tsy mahomby manodidina ny blaogy vaovao iray nosokafan'ny sodaney pelaka iray. Wholeheartedly-Sudaniya [En] namoaka ity sary manaraka ity tamin'ny tambajotra, mikasika ny hetsika mihisatra ataon'ireo Firenena Mikambana ao...

08 Oktobra 2018

SIDA 2008: Miady amin'ny SIDA sy miady amin'ny fankahalana pelaka

Raha vao tapitra ny Fihaonambe Iraisam-pirenena XVII momba ny SIDA natao tao an-tanànan'i Mexico City,  iray tamin'ireo olana goavana noresahan'ireo mpandray anjara ny tsy fahombiazan'ny iraisam-pirenena amin'ny fiatrehana ny  VIH / SIDA eo amin'ny lehilahy izay manao firaisana amin'ny lehilahy hafa, izay matetika antsoina hoe MSM.