Tantara mikasika ny Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT) tamin'ny Jolay, 2019
Tantaranà Ray Amandreny Anankiroa: Zeorziana iray mpanankanto manohitra ny fankahalàna, ny fanekena sy fianarana mitia fiainana
"Tsy misy maha-maoderina ny momba izay hevitra tokony hitiavanareo ny zanakareo."
An-tsary: Mikarakara matso iray i Nepal mandritra ny volana natokana erantany ho an'ny fireharehana (pelaka)
Notakian'ireo mpandray anjara hanànana zo mitovy, anisan'izany ny fanambadiana eo amin'ireo olona mitovy fananahana ary vitan'izy ireo ny nampianatra ny olona momba ireo vondrom-piarahamonina 'pelaka samihafa, lavitry ny fampiasana ny teny mahazatra LGBTQ+.
Mitambatra hanohitra ny fanilikilihana anti-LGBTQ+ i Myanmar taorian'ny fahafatesan'ilay tanora pelaka, mpiandraikitra tranomboky iray
Fifohazana masiaka manoloana ny fihoarana iaretan'ny vondrom-piarahamonina LGBTQ + any Myanmar ny fahafatesan'i Kyaw Zin Win. Saingy naneho fotoana tsy fahita firy mba hitambarana sy hiresahana momba ny fanamafisana ny fanentanana ho fiarovana ny zon'olombelona ho an'ny LGBTQ+ tsirairay ny fanohanan'ny vahoaka sy ny firaisankina tsy nampoizina taorian'ny nahafatesany.