Tantara mikasika ny Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT) tamin'ny Jolay, 2013
Mpifankatia Lesbiana Nosamborina Fa Nifanambady An-tsokosoko Tao Bangladesh
Sokajiana ho fanambadiana voalohany eo amin'ny olon-droa mitovy taovam-panahanana ny fanambadian'ireto vehivavy roa ireto. Sazian'ny lalàna an-tranomaizina mandram-pahafaty anefa ny fiarahan'olon-droa mitovy taovam-pananahana ao Bangladesh.
Nanakatsakana ny Parady Voalohany ao Montenegro Ny Mpankahala Pelaka
Tokotokony ho 500 ny olona nandalovan'ny diabem-pireharehana no miezaka ny hampitsahatra ilay hetsika manatantara, araka ny nolazain'ny polisy.
Vincent Wijeysingha: Politisianina ao Singapore Nilaza ny Maha-Pelaka Azy
Tao amin'ny kaonty Facebook-ny no nanoratany izao: Ho any Pink Dot aho rahampitso. Eny, Pelaka aho.
Nodimandry I Roberto Beličanec, Masedoniana Iray Manampahaizana Manokana Amin'ny Serasera, Mafana Fo Sady Bilaogera
Namoy ny ainy tamin'ny fijanonan'ny fony tampoka [mk] ny 29 Jona 2013 teo amin'ny faha 41 taonany i Roberto Beličanec, Masedoniana manampahaizana manokana amin'ny serasera, mafana fo sady bilaogera. Beličanec dia iray tamin'ireo olona vitsy niteny imasom-bahoaka momba ny fahalalahana sy ny zon'olombelona ao amin'ny fireneny, sahy nilaza ny marina tamin'ny Mpitondra [mk]. Nanana mpanara-dia maro izy tao amin'ny filazam-baovao sosialy noho ny fahasahiany hanohitra ny fanararaotam-pahefan'ny mpitondra, ny kolikoly, ny sivana ary ny lahateny manevateva
Notsipahin'ny «E-Kristianina» Ilay Ambasadera Amerikana Vaovao Ho An'i Espaina Satria Pelaka
Nivoaka ny anaran'ny ambasadera Amerikana ao Espaina: James Costos. Toetra sy endrika telo no ahafantarana ity ambasadera vaovao, manana diplaoma momba ny siansa politika ity: tompon'andraikitra ambony ao amin'ny orinasa...