· Desambra, 2012

Tantara mikasika ny Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT) tamin'ny Desambra, 2012

Nofoanana Noho ny Fanafihana ny Lanonam-Panombohan'ny “Kosovo 2.0 Talks Sex”

  16 Desambra 2012

Nikasa ny hamoaka pirinty ny votoaty iray hafa ny Kosovo 2.0 ka Kosovo 2.0 Talks Sex no anarany ary nokasainy ny havoaka 14 Desambra teo izy io. Saingy indrisy moa fa fotoana fohy monja taorian'ny lanona-panombohana, dia nisy andian-dehilahy eo ho eo amin'ny 20 eo niditra tao amin'ny nanatontosana ny lanonana tao Pristina, nandrava ny sehtra ary nidaroka ny iray amin'ireo mpiasa. Nofoanana ny lanonana. Mitatitra i Elena Ignatova.