Ny Làlana Lavabe sy Miolikolika Nizoran'ny Lalàna Momba ny Maha-Lahy sy Vavy ao Shily

"Be Not Afraid" (No tengas miedo). Foto de torbakhopper en Flickr. Usada bajo licencia (CC BY-ND 2.0)

“Aza Matahotra” (No tengas miedo). Sary an'i torbakhopper tao amin'ny Flickr. nampiasàna ny lisansa (CC BY-ND 2.0)

Ny dingana nizoran'ilay tolodalàna “-Fanekena sy Fiarovana ny Zo Ho Lahy na Vavy” ao Shily, fantatra amin'ny hoe Ley de Identidad de Género (LIG)- Lalànan'ny Miralenta, izay ikendrena ny hampitsaharana ireo toejavatra isian'ny fanavakavahana sy fanilihana manjo ireo “Trans”, na olona mandà ny sokajy niterahana azy, ao Shily – noho ny tsy fahafahany maneho izany imasom-bahoaka sy miaina mifanaraka amin'izay sokajy nofinidiny – dia mampahatsiahy ilay hira nosoratan'i Paul McCartney, The long and winding road (Ilay làlana lavabe sy miolikolika).

Ary raha hiresaka ny fiandohan'ity tolodalàna ity isika dia tsy maintsy miverina efatra taona tany aloha tany, ny 7 May 2013, fony nampidirina tao amin'ny Antenimieran-doholona ny drafitra voalohany tamin'ny LIG, izay andalana niaingàna sy natolotry ny Fundación Iguales sy ny organización OTD.

Araka ny nambaran'ity fikambanana farany ity, tao anatin'ireo taona efatra farany dia in-15 ilay tolodalàna no efa niadiana hevitra, raha efa maherin'ny 200 ireo fanolorana naroso, lalàna 3 no lany ary efa nisy aza fanovàna kely nitranga teo anivon'ny kaomity parlemantera. Betsaka tamin'ireny fotoam-panolorana ireny – izay imbetsaka no tsy nandraisana ireo solontenan'ny fikambanan'ireo niharan'ny herisetra ara-nofo sy ny fahasamihafàn'ny lahy sy vavy – no nikendrena izay hamerana na hanafoanana ny zo hisafidy izay sokajy tian'ny tena, tamin'ny fanolorana ny hametrahana fepetra fitsaboana vatana sy saina mba hahafahana miditra amin'ny fanovàna anarana sy taovam-pananahana, na fanafoanana ny fanekena io zo io tsy ho an'ireo ankizy pelaka. Fanampin'izay, ny 12 Aprily 2017, nisy fanovàna iray nankatoavina izay mety vao mainka hanaratsy ny toerana efa misy ankehitriny ilay dingana ho fanovàna anarana sy ny maha-lahy na vavy rehefa mandrakitra ireo olona pelaka (amin'izao fotoana izao dia napetraka ho amin'ny fahendren'ny mpitsara izany), ny famelàna olona fanintelony avy ety ivelany ho afaka mitsipaka ilay fangatahana fanovàna.

Farany, ny 10 May 2017, nalefan'ilay kaomisiona parlemantera ho any amin'ny antenimieran-doholona ilay tolodalàna mba hanaovan'ity farany fifidianana, izany hoe, andininy tsirairay mihitsy.

Ela ny ela! Nalefa any amin'ny antenimieran-doholona ilay tolodalàna momba ny miralenta

Fotoana iray io hamaritra tanteraka ny tolona ho amin'ny fahasamihafan'ny lahy sy ny vavy ao Shily, satria manomboka izao ireo fikambanana avy amin'ny fiarahamonina sivly dia hanao izay ezaka rehetra azony atao hahazoana fankatoavana miaraka amin'ireo parlemantera ka hanatsara ireo endrika natao sorona tao amin'ilay tetikasa niaingàna tany ampiandohana. Indrindra indrindra, ilay iray mifandraika amin'ny fandàvan'ny olonkafa avy ety ivelany, araka ny ambaran'i Franco Fuica, filoha lefitry ny OTD :

Ny olana amin'ilay fandavan'ny olona avy ety ivelany no taolana iray amin'ity lalàna ity, mampalahelo ny hoe misy olona hafa avy ety ivelany avela ho afaka hitsipaka. Raha ny fahitàna azy dia avelantsika ho irery ireo loholona, tsy hisy fampidirana ireo ankizy sy tanora, izay lazaintsika fa azo alamina ao anaty efitranon'ny Antenimiera.

Tolona sasany nandresy

Nandritra izany fotoana izany, dia nasehon'ireo kilasy politika ny tsy firaharahian'ny ny filàn'ny olompirenena, fa nahazo fandresena goavana teny anivon'ny vahoaka sy ny tontolo sivily kosa ireo tolona ho an'ny fahasamihafana.

Ohatra iray ny tamin'ny 11 Aprily tamin'ity taona ity, fony nisy mpitsara iray tao Concepción namoaka didy hahafahana manova araka ny lalàna ny anarana sy ny maha-lahy na vavy mba ho fanajàna ny sokajy nofinidin'i Álex Tima, izay tamin'ny Oktobra 2016 no nanomboka ireo dingam-pitsaràna ho fanitsiana ny filazam-pahaterahany, niaraka tamin'ny fiahiana araka ny lalàna nataon'ny Fundación Movilh. Nolazain'i Alex Tima tamin'ny gazety El Ciudadano fa isanandro izy no mizaka sotasota noho ny maha-izy azy, indrindra fa tsy mifanaraka amin'ny sokajy nofinidiny ny momba azy ao anaty antontan-taratasy milazalaza ny aminy:

Eny amin'ny toerana fanaovana fanatanjahantena dia tsy avela hidirany, na any amin'ny toerana fisoloana akanjo natokana ho an'ny lehilahy, na ny an'ny vehivavy, araka izany dia tsy afaka misitraka ny fampiasàna ilay toerana izy (…) Nanomboka nianatra avy aminà rangotra aho, tsy nisy nanontany hoe ‘pelaka ianao’, izay zavatra tsy tiako.

Fihetsika an'ohatra eny imasombahoaka sy any amin'ireo toerana fanabeazana ny tolona ho an'ny fahasamihafàna. Ao anatin'io toejavatra io, ny Lehiben'ny Fitantanana ny Fanabeazana dia vao haingana no namoaka taratasy ifampitàna niarahany namolavola tamin'ireo fikambanana mpiaro ny fahasamihafàna,  mba hiarovana ny zon'ireo ankizy sy tanora pelaka any an-tsekoly hànana ny zony amin'ny fanabeazana ary tsy ho avakavahana. Niarahaba  an-tànan-droa ilay antontan-taratasy ny tale mpanatanteraky ny Fundación Iguales, Emilio Maldonado, sady niteny hoe:

Vatofantsika iray ho an'ny fiarovana ny ankizy sy tanora pelaka ity. Indrindra fa noho ny taham-pandaozan'izy ireny ny rafitry ny sekoly fibeazany dia ambony be noho ny an'ireo vondrona hafa, araka izany dia mandeha mizotra amin'ny tokony ho izy ilay izy.

Hatramin'ny @TodoMejora  dia manantena isika fa ny #LIGahora izay natolotra androany ho an'ny antenimeran-doholona dia tsy hanilikilika ny zon'ireo ankizy sy tanora Shiliana hisafidy ny sokajy tiany

Ireo fandresena toy ilay taratasim-panabeazana ifampitàna, vokatry ny fiantraikan'ireo fikambanana fiarahamonina sivily, dia iray amin'ireo fanatsaràna farany ny fiainan'ireo olona toa an'i Selena, ilay ankizivavy izay nanohina ny fonay ny fijoroany vavolombelona feno fahasahiana sy tsy fivadihana mampiaiky volana. Ny tsikiny dia mitondra antsika hieritreritra ilay hira iray hafa an'i Beattles, We can work it out (Azontsika ifandaminana io).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.