Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Jolay, 2014

Tantara mikasika ny Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT) tamin'ny Jolay, 2014

20 Jolay 2014

Tsy Tian'Ireo Mpanao Fihetsiketsehana Anti-Gay ao Jamaika Ny Antsoina Hoe Mpankahala Pelaka

Niala an-daharana mba tsy hopetahana anarana "hômôfôby" ireo vondrona manohitra izay mety ho fanafoanana ny lalàna manohitra ny sodomia tamin'ny vanim-potoanan'ny fanjanahan-tany. Nilaza kosa ireo bilaogera ao Karaiba fa rehefa hômôfôbia dia hômôfôbia.

18 Jolay 2014

Tsy Tian'ny Tranomboky Singaporeana Hovakian'ny Ankizy I Tango Sy Ny Rainy Roa Mifankatia

Noraràn'ny Holafitry ny Tranom-bokim-pirenena (NLB) sy nopotehiny ny kopian'ireo boky telo hoan'ny ankizy izay miresaka momba ny fiarahan'olon-droa mitovy taovam-pananahana sy ny fananganan-jaza taorian'izy nahazo fitarainana fa "tsy manohana ny fianakaviana" ireo boky.

16 Jolay 2014

Kiobàna Mifofotra Manohana Ny Zon'ireo LGBT

Ny "Andiany faharoa amin'ny Fifanorohana am-pitorevahana ho an'ny Fahasamihafàna sy ny Fitoviana, na "besada" amin'ny fiteny Espaniôla, nahasarika olona maro manohitra ny Lalàna Vaovao Momba ny Asa ao Kiobà, izay manilikilika ny famantarana ny lahy sy vavy ary ny mitondra ny VIH ho toy ny antom-panavakavahana eo amin'ny tontolon'ny asa.

07 Jolay 2014

Mitady Fanohanana Avy Amin'ny Vahoaka ny Fikambanana Mpanao Tantara An-dampihazo iray Hamokarana an'Ity Tantara an-tsehatra “Mahery vaika” mikasika ny fifankantiavan'olon-droa mitovy fananahana ity any Kioba

Mitantara ny fanararaotana ny sy ny fanagadrana ny olon-droa mitovy fananahana mifankatia tany Alemana Nazi ka nitarika ny Ady Lehibe II ny "Bent".