Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Jolay, 2018

Tantara mikasika ny Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT) tamin'ny Jolay, 2018

29 Jolay 2018

Singapaoro: Fivoriana voalohany ho an'ireo pelaka

Nikarakara ny hetsika voalohany ho an'ny vondrom-piarahamonina LGBT ny PinkDot tao Singapaoro, saika faly tamin'izany avokoa ireo nandray anjara ary miandry fatratra ny andiany manaraka.

23 Jolay 2018

Michel Gonzalez Nuñez: “Heveriko fa manafintohina ny mankatoa lalàna momba ny ‘fahapelahana’ ao anatin'ny revolisiona be risikain-dehilahy”

"Raha ampahany ihany ny zo sy fahafahana mametraka ny fiarahamonina ho "revolisionera", dia mila olona aho manazava amiko ny dikan'ny hoe "revolisionera". Misy fifanoheran-kevitra izany ho ahy."

18 Jolay 2018

Arzantina: Neken'ny Antenimierandoholona Ny Fanambadiana Eo Amin'ireo Mitovy Fananahana

Nohamafisin'ny antenimierandoholona arzantina ny lalàna iray izay mandrafitra ny miralenta eo amin'ny satan'ny fanambadiana, tsy misy fanavahana eo amin'ireo mpifankatia samihafa fananahana sy ireo mitovy fananahana ary ankoatra izay koa, ireo fitoviana zo amin'ny fananganana. Amin'ity fepetra ity, i Arzantina no firenena voalohany indrindra ao Amerika Latina nanome alalàna ny...

Serbia: Navadik'ireo mpandroba ny diabem-pireharehan'ny pelaka

Namoaka ampahibemaso ny singa ratsy indrindra sy ny tsara indrindra teo amin'ny fiarahamonina Serba ny diabem-pireharehana natao tamin'ny 10 Oktobra 2010, tao Belgrady. Tsy maintsy nanakana ireo mpirotaka miisa 6.000, izay namotika zavatra mitentina 1 tapitrisa EUR tao afovoan-tanàna tamin'ny fomba voarindra ny polisy.

08 Jolay 2018

Amin'ny fanoherana ny zon'ny pelaka, miara-dalana mba hisara-kevitra kokoa ny solontenan'ny mpitondra fivavahana avy ao Trinite sy Tobago

Manao izay azonareo atao mba hampihenana ny vono olona, fametavetana ny ankizy, herisetra an-tokantrano, adin'ny andian-jiolahy, ny tsy fananana fialofana, fandrahonana ny fahalalaham-pitenenana, ny hantsana amin'ny karama, ny kolikoly,... Eh! Zava-dehibe kokoa ny fampiasana ny fitarihanareo hibaiko hoe iza no manan-jo na tsia hifankatia.

06 Jolay 2018

Mampiantrano ny diabem-pireharehan'ny pelaka voalohany ny vondrom-piarahamonina LGBT ao Goyana

#Guyana no firenena tokana Amerikana iray izay mbola tsy ara-dalàna ny fahapelahana. Vao avy nanatontosa ny diabem-pireharehany voalohany ny LGBT. Aleo antenaina fa ny tsy fanamelohana no ho avy manaraka

03 Jolay 2018

Pôrtô Rikô: Famonoana olona vokatry ny fankahalana natao tamin'ny tanora pelaka iray niteraka fahatafintohinana

Vono olona mahatsiravina natao tamin'ny tanora pelaka iray ao Pôrtô Rikô. Nangataka ny vondrom-piarahamonina LGBT mba hotsaraina eo ambanin'ny lalàna mifehy ny heloka bevava fankahalana ny raharaha. Naneho hevitra momba ity heloka mahatsiravina ity ihany koa ny bilaogera.