Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Febroary, 2017

Tantara mikasika ny Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT) tamin'ny Febroary, 2017

10 Febroary 2017

Ho An'ny Vondrom-piarahamonina LGBT Any Jordania, Tsy Mitovy Ny Hafatra Alefan'ireo Bokin'ny Lalàna Sy Tena Zava-misy

Ny Tetezana - The Bridge

Tsy nohelohina ny firaisana ara-nofon'ny olona mitovy fananahana tamin'ny 1951 tany Jordania, saingy efa ho 70 taona aty aofiana, mbola lasibatry ny fanavakavahana sy fanararaotana ireo olom-pirenena LGBT ao amin'ny firenena, kely ny fiarovana avy amin'ny lalàna.

Atahoran'ireo Ray Aman-dreny Sasany ao Hong Kong Fa Tia Ireo Andriambavin'ny Disney Ireo Zanany Lahy

"Manakaiky ny taona 2020, sarotra ny mieritreritra fa ireo ankizivavy ihany no afaka mitia ny loko mavokely. Tena nilaozan'ny toetrandro ny fitsaratsaram-poana toy izany."

08 Febroary 2017

Nanangana ny ‘Airbnb ho an'ny Mpankahala Pelaka’ Ireo Developera Rosiana

Akon'ny RuNet

Niteraka adihevitra tao Rosia ilay tranonkala antsoina hoe “MyLinker” noho ny tolotra voalaza fa manisa ny isan'ny olona LGBT ao an-tanàna manerana ny firenena mba hanampiana ny olona hiala amin'ny politika manohitra ny fanavakavahana avy amin'ny tambajotra mpampiantrano tahaka ny Airbnb

07 Febroary 2017

Hiseho Sehatra, Hamaky Fefy Any Amin'ny Herinandron'ny Lamaody Any Lakme Ilay Nepaley Vavilahy Mpilatro

"Tsy maintsy sarotra ny làlana, nefa azoko antoka hitondra anao amin'ny ho avy mamirapiratra sy tsara mendrika anao io làlana io."