Tantara mikasika ny Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT) tamin'ny Aogositra, 2021
Kazakhstana:Fanafihana vaovao fankahalàna pelaka, nanangona fanohanana an'ireo mpikatroka mafàna fo
Tato anatin'ny telo volana nisesy, in-telo ireo mpikatroka LGBTQ+ no notafihan'ireo hetsika tselatra fankahalana pelaka tany amin'ny tanàna samihafa nanerana an'i Kazhakhstana. Artista iray no nosotasotaina tety anaty tambajotra noho izy nanao sarin'olona roa nifanoroka nefa mitovy fananahana.
Nisy nandrovitra tamin'ny andron'ny herisetra an-dalambe faharoa avy amin'ny ankavanana hiringiriny ny sainan'ny Vondrona Eoropeana tao amin'ny Parlemanta Zeorziana
Vahoaka an'arivony maro, anisan'izany ireo mpikatroka mpiaro ny zon'ny pelaka sy ireo mpanohana ary ny mpitarika ny mpanohitra, no nivory teo ivelan'ny tranoben'ny parlemanta tao Tbilisi hanohitra ny herisetra atao amin'ireo LGBTQI+ sy ny mpikarakara ny Fireharehana.
Enintaona ny #NiUnaMenos: Ireo fandresena sy fitakiana vaovao an'ny hetsika feminista ao Arzantina
Nahombiazana ary nametraka andiam-pitakiana vaovao ireo fikambanana feminista mihoatra ny 200 ao Arzantina notarihan'ny Ni Una Menos hatramin'ny nanaovany hetsi-panoherana voalohany tamin'ny taona 2015.