Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Jona, 2017
Nametraka Fanakatonana Aterineto Manerana Ny Firenena i Ethiopia
Tamin'ny 30 May tamin'ny 3 hariva, ora ao an-toerana, Nahita ireo Etiopiana fa tsy afaka niditra aterineto. Toa manerana ny firenena mihitsy ny fanakatonana.
Miomana Handràra Tanteraka Ny Mpanohitra Politika i Kazakhstan
Mandrahona ny ho avin'ny demaokrasia ao Kazakhstan ny fandraràna ireo kandidà tsy miankina tsy hirotsaka hofidiana filoham-pirenena.
‘Ny Vatana no Maty Fa Tsy Maty Ny Firenena': Mihaino Ve Ianareo? Rakipeo
Ho entinay any Venezuela, Kashmir tantanan' Indiana, Thailandy, Nizeria, ary Brezila ianao ato amin'ity fizaran-tantara ity.
Rehefa Voafidy Indray Izy, Tsy Nasian'ny Filohan'i Iràna Vidiny Ny Fampanantenany Hanafaka Ireo Mpitarika Ny Hetsika Maitso
Nolavin'ny Filoha Hassan Rohani ny hampitsahatra ny fametrahana ho aminà toerana arahina maso sy tsy nandalo fitsaràna natao an'ireo telo mpitarika ny mpanohitra —fampanantenana nataony nandritra ny fampielezankeviny voalohany tamin'ny fifidianana ho filohampirenena.
Nangataka Famandrihana PornHub Premium Iray ny Mpanivana Aterineto Ao Rosia. 10 no Nomen'ny PornHub Azy
Nanome ny Mpanara-maso ny Aterineto ao Rosia fisoratana anarana Premium maimaim-poana miisa 10 ny PornHub izay nozaraina "ho fahalalahan-tanana" ny antsasany amin'izany.