Nametraka Fanakatonana Aterineto Manerana Ny Firenena i Ethiopia

Fiihetsiketsehana tamin'ny Oktobra 2016 tao Londra, ho fanoherana ny vono olona sy ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ataon'ny governemanta Etiopiana. Sary avy amin'ilay mpisera Flickr, David Holt. CC BY 2.0

Tamin'ny 30 May tamin'ny 3 hariva, ora ao an-toerana, Nahita ireo Etiopiana fa tsy afaka niditra aterineto. Toa manerana ny firenena mihitsy ny fanakatonana.

Toa nametraka fandraràna aterineto manerana ny firenena ny manampahefana Etiopiana mba hisorohana ny “fivoahan'ireo laza adina amin'ny fanadinana ao amin'ny Facebook” mialoha ny fanadinan'ny sekoly ambaratonga faharoa izay hotontosaina afaka tapa-bolana.

24 ora taorian'ny fanakatonana tanteraka ny aterineto, Mbola tsy mety milaza ny antony nanakatonana izany i Ethiopia. Tao amin'ny @AFP pic.twitter.com/ZzJcX6Vqe8

Efatra amby roapolo ora taorian'ny fanakatonana, nilaza tamin'ny AFP ny minisitra lefitry ny fifandraisana ao Etiopia, Zadig Abraha, fa notapahana koa ny lahatahiry amin'ny finday.

Farany, nanambara ny governemanta Etiopiana fa hitohy hatramin'ny 8 Jiona 2017 ny fanakatonana ny aterineto, noho ny tahotra «fivoahan'ny laza adina amin'ny fanadinana».

Tamin'ny herintaona, voatery nanemotra ny fanadinana fidirana teny amin'ny anjerimanontolom-panjakana ny governemanta taorian'ny taratasim-panadinana voalohany niely tao amin'ny Facebook. Namoaka ireo laza adina fanadinana tao amin'ny Facebook mialoha ny fanadinana tamin'ny voalohandohan'ny volana Jona tamin'ny 2016 ireo mpikatroka any am-pielezana, rehefa tsy nety nikarakara fanadinana ho an'ireo mpianatra izay tsy nianatra nandritra ny enim-bolana iray manontolo noho ny hetsi-panoherana ny governemanta.

Saingy tsy mitovy amin'ny fanakatonana aterineto finday sy media sosialy teo aloha izay napetraka ho fisorahana ny fivoahan'ny taratasim-panadinana ny fanakatonana amin'izao fotoana izao. Mivelatra kokoa ity fanakatonana ity, manaisotra tokoa an'i Etiopia amin'ny sarintanin'ny aterineto manerantany.

Mora indrindra ho an'ny governemanta Etiopiana ny manao izany, satria mpamatsy tolotra aterineto iray monja izay tantanin'ny fanjakana, Ethio Telecom no mpanome tolotra aterineto sy finday ao amin'ny firenena. Mahatonga ny fihariana, ny banky, ny trano fanaovana aterineto ao Addis Ababa sy ny pejy media sosialy ny mediam-panjakana tsy ho hitan'izao tontolo izao ny fanakatonana, ka lasa sarotra amin'izy ireo ny manatontosa ny asan'izy ireo andavanandro.

Noho ny fanakatonana: Mikatona ny banky. Tsy mandeha ny tolotra Bulk Somaiso. Tsy azo idirana ny tolotra GPS

Ny olana amin'ity fanapahan-kevitra ity dia mampametra-panontaniana hoe: Moa ve ny manampahefana ka tena miezaka tokoa manakana ny mpianatra tsy hifraody amin'ny fanadinana, sa misy antony hafa mihoatra izany? Eny tokoa, iray amin'ireo antony samihafa izay nampiasain'ny manampahefana mba hanamarinana ny sivana sy ny fanakatonana tao anatin'ny taona vitsivitsy izany.

Notapahan'i Etiopia in-telo ny aterineto hatramin'ny nipoahan'ny fihetsiketsehana manohitra ny governemanta tamin'ny volana Novambra 2015. Tapaka ihany koa ny tambajotra finday tao amin'ny faritra maro olona indrindra ao amin'ny firenena, dia i Oromia sy Amhara, izay lasa mahazatra nandritra ny roa taona lasa ny fihetsiketsehana manohitra ny governemanta.

Rehefa nanambara firenena latsaka an-katerena ny manampahefana Etiopiana tamin'ny Oktobra 2016, nakaton'izy ireo tamin'ny fomba ofisialy ny fidirana amin'ny Facebook, Twitter sy ny fampiharana fandefasan-kafatra malaza Viber sy IMO. Satria efa nihena ny hafainganam-pandehan'ny aterineto, nanjary tsy azo nidirana ny sehatra lahatsary mavesatra tahaka ny YouTube na dia tsy nosakanana tamin'ny fomba ofisialy aza.

Vao tapa-bolana lasa izay, nitatitra ny mpikatroka ao amin'ny firenena fa afaka niditra Facebook malalaka ihany izy ireo, taorian'ny volana maro nampiasàna VPN sy ny fitaovana fialàna sivana hafa mba hidirana ao amin'ny tambajotra sosialy. Saingy noho ny firenena ao anatin'ny fanakatonana ny aterineto tanteraka, mitoka-monina bebe kokoa amin'izao tontolo izao izy ireo, sy eo amin'ny samy izy ireo ihany koa, tsy toy ny teo aloha.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.