‘Ny Vatana no Maty Fa Tsy Maty Ny Firenena': Mihaino Ve Ianareo? Rakipeo

Manao topimaso ireo tantara vitsivitsy nivoaka vao haingana tato amin'ny famoaham-baovao ny Global Voices podcast Mihaino Ve Ianareo? Ato amin'ity fizaran-tantra ity isika handre ny fomba henjana niovan'ny Venezoela; ny tsy rariny atrehin'ny mponin'i Kashmir tantanan'ny Indiana; ny fidedahan'ny Nizeriana amin'ny fomba fahandro ny vary jollof; ny fanamelohana miharihary ny finamanana Facebook ao Thailandy; ary ny fanavakavaham-bolokoditry ny andrim-panjakana izay misy amin'ny rafi-pitsarana ao Brezila .

Misaotra indrindra an'i Kat Batuigas noho ny famoahana miaraka ity fizaran-tantara ity sy i Laura Vidal, i Mariana Parra, ary i Raphael Tsavkko Garcia noho ny fanampiany anay tamin'ny fitantarana. Ary mankasitraka ireo mpandray anjaran'ny Global Voices ihany koa  Luis Carlos Diaz, Nwachukwu EgbunikeMong PalatinoMariana Parra, ary Raphael Tsavkko Garcia sy ny mpiara-miasa ao amin'ny VideoVolunteers noho ny tantara izay asongadinay ato amin'ity rakipeo ity.

Amin'ity fizaran-tantara ity, asongadinay ireo hira manana lisansa Creative Commons avy ao amin'ny Arisivan'ny Mozika Maimaimpoana [malalaka], ka anisan'izany ny Let's Start at the Beginning avy amin'i Lee Rosevere (CC BY 4.0); The Sun Is Scheduled to Come Out Tomorrow avy amin'i Chris Zabriskie (CC BY 4.0); Oldie Song avy amin'i David Szesztay (CC BY-NC 3.0); Aurora Borealis avy amin'i Lee Rosevere (CC BY-NC 3.0); Backed Vibes Clean avy amin'i Kevin MacLeod (CC BY 3.0); Skeptic avy amin'i Podington Bear (CC BY-NC 3.0); ary Resiste! avy amin'i el zombi flash (CC BY 4.0).

Sariitatra nataon'i Eduardo Sanabria (Edo Ilustrado) ny sary asongadina ao amin'ny hajiantsary Soundcloud. Nahazoana alalana .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.